SAMPANA DORKASY IVON´NY FAHA-120 TAONA

Ny 11 Novambra 2018 izao no hanamarika ny ivon´ny faha-120 taonany ny sampana Dorkasy Ankadifotsy. Hisy ny fandraisana anjara amin´ny fanompoam-pivavahana amin´izany. Vakiteny amin´ny fanompoam-pivavahana roa ary fandraisana anjara hira amin´ny fanompoam-pivavahana faharoa.

Ny 15 Novambra kosa dia hamonjy ny famaranana ny lasy tselatra iza hatao any Moramanga.

FIVORIAMBE DORKASY SPIA

Notanterahina tany amin´ny FJKM Ankadibe Fitiavana ny fivoriamben´ny Dorkasy Synodamparitany Iarivo Avaradrano ny talata 23 Oktobra lasa teo. 39 teo no afaka niatrika izany avy teto  amin´ny fitandremana Ankadifotsy ary 500 kosa no teo anivon´ny SPIA manontolo raha 1000 tany ho any no nandrasana. Dorkasy vonona hiasa tsy amin´ny ahiahy sy tebiteby, tsy hifamilafila amin´ny asan´Andriamanitra fa tena hijoro hanompo ho vavolombelon´ny Tompontsika.

 

"NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY DIABETA" NETIN-DRAMATOA RANJAKAVOLA

Tamin´izany koa no nandraisan- dRamatoa Ranjakavola Jacqueline, Mpitsabo anjara teo amin´ny fanetanana sy fampahafantarana ara-pahasalamana momba ny "Diabeta" izay nambarany fa vokatry ny tsy fahampian´ny insuline ao anatin´ny vatan´ny olona iray. Na misy ihany fa tsy miasa tsara ka miteraka tsy fahasalamana, na koa misy sela tsy miasa ao anatin´ny vatana ao. Ny sakafo hohanina dia saiky misy siramamy avokoa toy ny vary, akondro... koa entanina hanatona mpitsabo fa tsy hanao dokotera tenany fotsiny ahafahana misoroka avy hatrany. 40 taona ny miakatra ny olona dia tokony hanao fizaham-pahasalamana mahakasika ny diabeta satria tsy ampoizina ny fisiany, tsy tokony hatavy be, tsy tokony hisotro ny coca izay miteraka fandrian´ny rà. Nahaliana ny vehivavy tokoa ny fanazavany.

Fehin-kevitry ny fivoriambe tamin´izany ary ny fanetanana ny olona tena hazoto hanompo an´Andriamanitra

 

"lalànan´ny fandovana"

Ny talata 16 Oktobra dia nisy ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny "lalànan´ny fandovana" nentin-dRamatoa Ramananarivo Claire, Mpitsara teo anivon´ny sampana Dorkasy ankadifotsy. Natao tao am-piangonana ity fampahafantarana ity ary 50 teo ho eo no niatrika izany. Anisan´izay nivoitra tamin´izany ny nilazana fa zava-dehibe eo amin´ny fianan´ny Malagasy ny fandovana na ny lova, izay famindram-panànana. Aoka tsy hatoritory raha misy havana maty fa atao avy hatrany ny taratasy maha mpandova sy ny fikarakarana ny taratasy rehetra.

Misy ny fandovana tsotra ary misy ny fandovana avy amin´ny alàlan´ny didim-pananana na "testament". Voarara ny mandova velona raha tsy ilay tompon´ny lova no manao izany.

Misy koa ireo olona tsy tokony handova toa ireo olona nanana fikasana hamono ilay tompon´ny lova dia tsy afaka mandova izy. Eo amin´ny fanambadiana, misy ny atao hoe: "enfant naturel", tonga dia mandova avy hatrany ilay ankizy. Na mbola tsy nivady aza ireo mpivady fahaizany kanefa nisy efa nanana zanaka tany alohan´ny fanambadiana dia mandova izy, fa kosa raha  zaza teraka tao anatin´ny fanambadiana "zanaky ny fijangajangana" dia tsy mandova izy raha tsy miandry ny famindram-pon´ny andaniny sy ny ankilany izy. Ary raha maty ny vady, dia mpandova azy  any amin´ny laharana fahavalo ny vadiny.Harena ho an´ny Malagasy ny fandovana koa tsy tokony hatao antsirambina ny fikarakarana ny taratasy. Mbola hotohizana amin´ny fotoana manaraka moa izao fampahafantarana izao.

 

Antso manokana avy amin´ny filohan´ny Dorkasy ny hoe: " etanina avokoa isika Dorkasy rehetra ho tonga hamerin-kira ny Talata voalohany amin´ny Novambra amin´ny 2 ora. Ary manetana hatrany koa ny vehivavy  hirotsaka sy hanatevin-daharana amin´ity seha-panompoana ity fa tena ahafahanao mijoro ho vavolombelon´ny Tompo ny ato amin´ny sampana".

Date
11/11/2018
Nanangona Fifi AV