Alahady manga FJKM Ankadifotsy

Notanterahina teto amin'ny fitandremana Ankadifotsy ny Alahady 24 jona tontolo andro ny Alahadin'ny Sampana vokovokomanga sy Rantsana Fanantenana manerana ny FJKM.

Ho an'ny FJKM Ankadifotsy dia nisy ny heriandro manga izay nitondrana fampianarana isaky ny takariva. Fanaterambokatra kosa ny Alahady maraina ary fiarahana midera niaraka tamin'ny SVM maro ato anatin'ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano, SVM Andavamamba Kristy Velona ary ny SAFIF FJKM Ankadifotsy no nifaeimbona tamin'izany. 

Date
25/06/2023