ISAIA 45.14-25  F. 1, 3, 4

NY FAMONJENA TSY HO AN’ISIRAELY IRERY

Hiaiky an’i Jehovah koa ny jentilisa. Amin’ny fotoan’androny dia hibaboka ny jentilisa mpanompo sampy satria menatra (16) ka hilaza amin’Isiraely hoe «Ato aminao tokoa Andriamanitra, Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany » (14b). Amin’ny alalan’i Kristy no tena ho tanteraka feno ny faminaniana: Ilay hoe “Mijere Ahy dia ho voavonjy ianareo ry vazan-tany” (22) dia tontosa amin’ilay ambaran’ny Tompo hoe “ Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay » (Jaona 6.40). Ilay hoe “Izaho no handohalehan'ny lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra” (23) kosa dia tanteraka ao amin’ny anaran’i Jesoa (Filipiana 2.10). Tombontsoa lehibe anie ny mahafantatra ilay Jehovah mpahary ny lanitra ( 18) izay tsy manam-paharoa (21b, 22b), miteny ny marina (19b, 24) sady manambara ny ho avy e (21) !

Iza no Isiraely ho voavonjy ? Sady manambara famonjena akaiky ny mpaminany (fanavotana amin’ny Kaldeana) no manambara famonjena mandrakizay ho an’ny vahoakany (17). Ho an’ilay famonjena akaiky, dia tsy ny Isiraely rehetra no ho afaka hiverina any amin’ny taniny indray satria hoy Isaia 10.22 hoe “ na dia tahaka ny fasika … aza ny isan’Isiraely … dia izay sisa aminy ihany no hiverina”. Tsy ny Isiraely rehetra koa no handova ny fiainana mandrakizay satria efa voalazan’ny Tompo ihany koa fa “maro ny avy any antsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin'ny maizina any ivelany” (Matio 8.11-12).

Miantso anao koa Andriamanitra. Ny olona rehetra no tian’ny Tompo hisitraka ny fiarahana Aminy ka anisan’izany koa ianao !