ISAIA 45.1-13  F. 1, 6

JEHOVAH NO MIFEHY NY TANTARA

Ilay Mpanafaka ny Isiraely. Kyrosy no hany mpanjaka jentilisa mitondra ny anarana hoe “voahosotr’i Jehovah” (1a) izany hoe Mesia izany. Na dia tsy nahalala Azy akory aza Kyrosy dia nofidian’Andriamanitra (4b, 5b) noho ny amin’i Jakoba (4a), mba hanafahany azy amin’ny ziogan’i Babylona sy hanamboarany an’i Jerosalema rava (13b) ary mba hahafantaran’ny jentilisa hatrany amin’ny faran’ny tany fa Jehovah no hany Andriamanitra (6), Mpiahy an’Isiraely (11), Mpanao ny lanitra sy tany (12) .

Tsy hisy hahatohitra an’i Kyrosy. Satria ilay Andriamanitra Tompon’ny hery rehetra no maniraka azy sy mitantana azy (1b, 2a, 13a), dia tsy hisy vavahady izay tsy hivoha manoloana azy (1b), na hidy vy izay tsy ho tapatapaka (2b) ! Handroba ny babony izy (3) ary lozan’izay te-hiady amin’Andriamanitra amin’izany planina tiany ho tanterahana izany (9) ; tsy toy ny tavim-bilany milaza amin’ny mpanefy azy ihany ve izy ireo ka miteny hoe “Inona no ataonao ? Firifiry koa moa ny zanak’olombelona miady amin’Andriamanitra mandrak’ankehitriny, tsy te- hanaiky ny fahefany eo amin’ny fiainany ? Sao mba arahina ihany ny toro-mariky ny Tompo momba ilay mpanjaka manana miaramila iray alina hiatrika ady amin’ilay manana miaramila roa alina: aleo hoy Jesoa “mipetraka aloha mba haka hevitra tsara” sao tsy haharesy ny fahavalony ka raha ilaina dia mangataka fihavanana amin’ilay mpanafika (Lioka 14.31-32). Tsy hisy olona haharesy an’Andriamanitra ka aleo mihavana aminy faingana!

Entin’Andriamanitra mankaiza ary izany fiainako izany? Matokia Azy lalandava fa mampiasa olona (tahaka an’i Kyrosy ho an’ny Jiosy) na trangan-javatra Izy hitantanana ny diantsika araka ny planiny.