1 KORINTIANA 2.6-16 F. 6

 

NY ZAVA-MIAFINA NASEHO AMIN’NY MPINO

 

Ilay tena fahendrena. Tsy manamavo ny fahendrena akory Paoly raha miresaka ny fahadalan’ny hazo fijaliana (1.18a) fa manentana ny olona kosa hikatsaka ilay tena fanendrena , tsy ilay an’izao tontolo izao fa ilay an’Andriamanitra (6, 7). Ny atao hoe hendry mantsy dia izay mikatsaka ny hahasoa any amin’ny farany (ny trano aorin’ilay adala amin’ny fasika dia toa mijoro ihany kanefa kosa ratsy fiafara : Matio 7.26-27). Ny iafaran’ny mahazo fahendrena ao amin’ny Tompo dia voninahitra (7) satria ny fahalalana Azy no fahendrena fara-tampony ary ao aminy no misy ny tsara indrindra ho an’izay tia Azy (9b). Raha nanana io fahendrena io ny mpanapaka izao tontolo izao tamin’ny fotoan’andro dia tsy nanameloka velively ny Tompo toy ny olon-dratsy teo amin’ny hazo fijaliana (6b, 8) : kanefa nampiasain’Andriamanitra izany fahadalan’ny mpanapaka izany satria io hazo fijaliana io no herin’Andriamanitra hamonjena ny mpino (1.18b).

 

Ny Fanahy Masina no manokatra ny masom-panahy. Hatramin’ny nidiran’ny ota, dia mikatona amin’ny zava-panahy ny fon’olombelona ka tsy hainy raisina izany satria tsy azony ary zary fahadalana ho azy aza (14), tsy ren’ny sofiny (9a). Ny Fanahy Masina izay mahafantatra ny sain-dalin’Andriamanitra (10b, 11b) no mampianatra (13a) sy mampahafantatra izany koa amin’ny mpino (12b,16) ary izay mahalala marina an’Andriamanitra izay tompon’ny fahalalana rehetra no mahalala koa ny zavatra rehetra (15) izay tiany ho fantatry ny olombelona.

 

Mahaiza mankasitraka ry mpino. Saintsaino mandrakariva anie ny zava-tsarobidy natolotry ny Tompo anao dia mankalazà tsy tapaka ny anarany.