MTA Faha-35 taona.

 

"Question pour un chrétien"

iarahana amin'ireo biraon-tsampana Hatao ny 13 aogositra 2023 amin'ny 2ora sy sasany tolakandro ny fifaninana soratra masina "Question pour un chrétien" izay karakarain'ny mpamakiteny Ankadifotsy. Izany dia ao anatin'ny ivon'ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny faha 35 taona ny Mta. Hisy ny Fiderana lehibe ny Alahady maraina amin'ny 7 ora sy amin'ny 10ora ary hisy ny valopy amin'io andro io ho fanohanana ny asa. Marihina fa vita ny Sabotsy 29 jolay 2023 lasa teo ny fifanitsanan'ireo solotenan'ny birao ny Sampana, Sampan'asa, Asa sy Fikambanana eto amin'ny Fitandremana misy antsika. Ny 8 tafiakatra tamin'ireo no hiakatra amin'ny lalao manasa-dalana sy ny famaranana ny Alahady 13 aogositra 2023 amin'ny 2ora sy sasany tolakandro. Ireto avy ireo tafiakatra : -Rajaonarivo Lola Andrianombaba Tsiry Nirina SAMPATI. -Randriamiarintsaina Mika, SVM -Raheliarisoa Vonjy Harivelo, Mpiasan'ny fahasalamana -Harimampionona Tolotra Nomenjanahary, SVM -Rajaona Fanomezantsoa Aimée, Mpiasan'ny fahasalamana -Rakotomandimby Vonintsoa Ravakiniaina, Sekoly Alahady -Ramaherijaona Mareo, SLK -Randrianalison Herizoa, AFF Ny tarika TDL no hanafana ny fotoana. "Raiso ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy" Efesiana 6 : 17

Rojo Ramaro

Date
07/08/2023