ISAIA 36.1-22  F. 2, 5

MPANOMPON’ANDRIAMANITRA MAHATOKY

Fahasahiana mijoro. Hezekia dia nanao izay ankasitrahana teo imason’i Jehovah, nandrava ny fitoerana avo izy sy namakivaky ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny Aserahany, ary izy no hany mpanjaka nanana fahasahiana nanorotoro ny menarana varahina (Nehostana), ilay nataon’i Mosesy (2 Mpanjaka 18.4), izay niankohofan’ny zanak’ Israely nandritra ny 700 taona. Fihetsika izay mety ho tsy nankasitrahan’ny maro nefa kosa mahitsy teo imason’Andriamanitra.

Avonavon’ny fahavalo mihoahoampampana (4-10). Tena tafahoatra eto ny teny fihantsiana sy fanambaniana an’Andriamanitra. Mampangorintsina ny mijery izao fahasahiana izao ! Ren’Andriamanitra nefa ny teny atao rehetra koa mbola ho avy ny famaliany izany ! Tandremo ny avonavona fa Andriamanitra any an-danitra mahare ny teny atao ary mamaly izany !

Fantsona hikorianana. Rehefa misy ny fitahiana avy amin’Andriamanitra dia ampandaloviny amin’ny mpanompony izany ary avy amin’ny alalan’io indray no hahatongavan’ ny soa ho an’ny hafa satria toy ny fantsona izy ; ary toy izany koa, aza gaga fa ny fihantsiana sy fitenenan-dratsy izay tian’ny hafa hatao amin’Andriamanitra dia miantraika mivantana amin’ny mpanompony aloha toy ny hitantsika eto, nolaroina teny ratsy sy fampihorohoroana izany ka naharary tokoa ho an’i Hezekia sy ireo olony. Voatriatra ny fitafiany (22).

An’andriamanitra ny ady. Nangina ny olona araka ny nandidian’ny mpanjaka azy (21). Izany no fomba tsara indrindra nanehoany fa mitoky amin’i Jehovah izy (2 Mpanjaka 18.5), ary koa famelana tanteraka an’Andriamanitra handray an-tanana ny ady.

Hosaintsainina: « fa noho ny Aminao no amonoana anay mandrakariva ; toy ny ondry hovonoina no fijery anay. » (Salamo 44.22).