ISAIA 32.1-20  F. 4, 6

ILAY MPITONDRA MARINA

Ilay tena mpanjakan’ny rariny (1-8). Faminaniana mahakasika ny Mesia no efa atsidik’Isaia eto, faminaniana izay mbola tsy tanteraka tamin’ny vanim-potoana nanjakan’i Hezekia, na dia mpanjaka marina aza izy. I Jesoa Kristy no Ilay Mpanjaka ho avy : marina sy mahitsy (1), fialofana (2), maaila ny fahajambana ara-panahy (3), manova sy mahakasika ny karazan’olona rehetra (4,5).Ary manitsy ny haratsiam-pitondran-tenan’ny olona mba ho samy mendrika avy ny tsirairay (8). Hisokatra sy hanana fo mihavao ny olona ary hahafantatra an’Andriamanitra.

Ho rava ny tanànan’i Joda (9-14). Miantefa amin’ireo vehivavy tao Jerosalema ny fandrahonana nolazain’Isaia noho ny rendrarendra sy fahavetavetam-piainan’izy ireo (9-11, Isaia 3.16-26). Ny faharavana voalaza eto dia nitranga tamin’ny nanafihan’ny Asyriana sy ny nambaboana an’i Joda nandritry ny 70 taona. Ary mbola mitohy tamin’ny faharavan’i Jerosalema (14) izay hanjary tanàna. Ny faharavana indray dia ny hamatorana ny satana sy ny fanakanana azy tsy hampiasa ny heriny intsony hanimbana ny olombelona (Apokalipsy 20.1-3). Ho voafatotra satana ka tsy afaka hamitaka intsony.

Ny vokatry ny Fanahy (15-20). Rehefa nohavaozin’ny Fanahin’Andriamanitra isika, dia manomboka mamoa be tsikelikely ary mitondra soa ho an’ny manodidina antsika (15). Lasa te-hitoetra amin’ny fahamarinana (16) mandrakariva, mamoa fiadanana sy filaminana (17). Ho rava izay endrika faharatsiana eo anivontsika (19) fa ny fahatsaran’Andriamanitra no mitoetra anatintsika ka hahatsiaro sambatra (20) sy feno fialiana isika.

Fahamarinana: Samy manana ny fomba nikasihan’Andriamanitra azy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny olona tsirairay. Fomba mahagaga maro samihafa no nanovan’Andriamanitra azy ho tonga zanany. Efa nandalo izany dingana izany ve ianao?