ISAIA 31.1-9  F. 1, 2,7

ANDRIAMANITRA SA EGYPTA?

Tompon’ny hery sy fahefana faratampony. Ny soavaly, ny Egyptiana, ny kalesy no nianteheran’ny Joda ho heriny (1). Nisaraka tamin’Andriamanitra izy ireo ary “tsy nibanjina ny Iray Masin’ny Isiraely” (1), Ilay Andriamanitra “hendry” sady manam-pahefana “mitondra loza” amin’izy ireo izay tsy mankato Azy (2). Toy ny bibidia miaro ny hazany (4) na ny vorona mamelatra ny elany (5) no sary hanehoana ny fiarovan’Andriamanitra an’i Jerosalema na Ziona, ilay fitoerana masina, na firy na firy fahavalo mikasa hitsangana hanohitra azy (Isaia 29.8).

Miantehitra amin’ilay tena Vatolampy. Faminaniana mandray roa ity satria sady manambara ny fandravana nataon’ny tafika Asyriana tamin’izany andro izany (702-701 talohan’i Jesoa) no sady efa maneho koa ny fandringanana farany amin’ny ho avy. Amin’izany andro izany, dia tena hiankina amin’Andriamanitra ireo sisan’ny Israelita (Isaia 10.20). Ao Ziona any an-danitra sy Jerosalema Vaovao koa no hampiasin’i Jehovah afo ho amin’ilay fisehoan-javatra amin’ny faran’ny arivo taona (9b). Mbola tsy nisy afo lehibe toy izany teo amin’ny tantaran’i Jerosalema teto an-tany, tahaka izay hisy amin’izany andro izany.

Misy tànana mitsotra. Toy ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’ny Israelita fahiny (6), dia manatsotra ny tanany miandry antsika Ny Tompo. Maniry indrindra ny hanatonatsika azy izy ary te hiara-dalana amintsika amin’ny ho avy. Manasa Izy fa tsy manery. Anjarantsika ny misafidy.

Hafatra. Jesoa Vato fehizoro, afa-tahotra ny fo raha ianao no mampijoro sy hiankinana tokoa! Vato fiorenana, fialofana amin’ny ratsy te handavo. Vato azo itokiana sady tsy mba mivena…