NY VAVAKA
Ny atao hoe vavaka dia resaka hifanaovana amin’Andriamanitra, fandoarana ny ao am-po sy ny hetaheta rehetra eo anatrehan’Andriamanitra. Ny vavaka no mariky ny fiombonana sy ny firaisana amin’Andriamanitra.
Ny atao hoe olona mahay mivavaka dia ny olona tsara fifandraisana amin’Andriamanitra. Noho izany dia tsy ny olona mahay miteny na mahay miresaka na mambabo ny fo fa izay tena tsara fifandraisana amin’Andriamanitra ka mahatsiaro ho tafahaona am-po tanteraka amin’Andriamanitra. Matetika rehefa ao anatin’ny olana sy ny zava-tsarotra isika vao tena mangetaheta fatratra an’Andriamanitra.
Ny vavaka tena tsara dia ilay tena tafaray amin’Andriamanitra.
Ny vavaka dia tena ady varotra, fitarainana, fisarangotana eo anatrehan’Andriamanitra. Ary izany no nianarantsika teo amin’ny fanekem-pinoana fa tena Ray tsitoha mahefa ny zavatra rehetra ary mihoatra lavitra noho ny fitarainana eo amin’ny ray aman-dreny ny atao.
Ny modelin’ny vavaka
Ny modelin’ny vavaka dia ny vavaka nampianarin’ny Tompo. Mizara roa mazava tsara izy io. Ny tapany voalohany sy farany dia ny fahaizana mametraka ny maha izy azy an’Andriamanitra sy ny fanandratana sy fanomezana haja an’Andriamanitra.
« Rainay izay any an-danitra » dia tsy hilazana toerana fotsiny fa fanandratana Azy eo amin’ny seza fiandrianany, izany no tokony ho tsaroantsika fa toerana mendrika an’Andriamanitra.
« hohamasinina anie ny Anaranao » dia midika ny fahaizana manavaka, manaja, ary fiderana sy fanakalazana Azy ho tompon’ny hery ka mendrika hohamasinina.
« ho tonga anie ny fanjakanao » dia tokony hinoantsika fa efa tonga kanefa mbola andrasana. Efa tanteraka eto amin’izao tontolo izao ny fanjakan’Andriamanitra kanefa fanjakana mbola mifangaro izany hoe mbola miady. Nefa ho avy ny fotoana izay tsy maintsy hampanginan’Andriamanitra ary hahafoana ny hery hafa izay misy eto amin’izao tontolo izao. Izay no antsoina hoe théocratie izany hoe ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra irery no manjaka eto.
Tokony hazava nefa fa ny olona izay efa nihomana fatratra ny amin’ny fiavian’ny Tompo no maniry sy mangetaheta ny fanjakan’Andriamanitra.
« hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra » dia vavaka mitaky andraikitra ny amin’izay tsy maha tafandrimandry antsika manoloana izay tsy nety na faharatsiana misy na ny toetra tsy mendrika izay ilana fanapahan-kevitra hanohitra izany hatramin’ny farany.
Faniriana fatratra sahady izany fiainantsika ety an-tany ho tahaka ny fiainana any an-danitra.
Manomboka eto amin’izay dia ny fizarana faharoa : fangatahana mikasika antsika.
« Omeo anay anio izay hanina sahaza anay »
Ny hoe hanina sahaza dia ilazana izay rehetra filana fototra mahakasika ny fiainantsika sy miantoka ny fahavelomantsika.
Miavaka roa mazava tsara izany dia ny filana ara-materialy izay ilain’ny tena sy ny vatantsika toy ny sakafo, rano, fitafiana, rivotra… ary ny faharoa dia ny filana ara-panahy : ny tenin’Andriamanitra, tena sakafo miantoka ny fahavelomantsika toy ny vary hanina in-telo sy amin’ny fotoana mety ilana an’izany no tokony ilana ny tenin’Andriamanitra. Izany rehetra izany dia tokony ho haintsika ny hitantana azy.
« mamela ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay »
Ny famelan-keloka dia tena zava-dehibe eo amin’ny andavan’androm-piainantsika. Miantoka ny fifaliana kanefa mitondra antsika amin’ny fahoriana lehibe. Ny tsy fahaizana mamela heloka dia fahoriana ho antsika ka mampahory tsy ananana fifaliana, mitondra fisentoana.
Ny olona tsy mahay mamela heloka dia mitondra hatezerana, lolom-po, fankahalana, tsy fitiavana ao am-po. Ny helotsika eo anatrehan’Andriamanitra dia tsy azo ampitahaina amin’izay heloka vitan’ny namantsika tamintsika fa raha ny heloka vitantsika teo anatrehan’Andriamanitra dia maimaimpoana ny famelan-keloka natolony antsika ka noho izany dia tokony hahay hamela ny heloky ny hafa isika. Takian’ny Tompo isika : tsy maintsy mamela heloka.
« Aza mitondra anay amin’ny fakam-panahy fa manafaha anay amin’ny ratsy »
Ny trangan-javatra miseho amintsika dia fakam-panahy avokoa. Amin’ny fotoana fahombiazana na mahameva na mahasambatra dia fakam-panahy ho antsika mba hanadino an’Andriamanitra ka mahatoky tena. Fakam-panahy lehibe izany satria mahatonga antsika hanadino sy tsy hahatsiaro an’Andriamanitra. Amin’ny fotoana mahaory sy isehoan-javatra ratsy eo amin’ny fiainantsika dia alaim-panahy tsy hahatoky an’Andriamanitra isika ka hihevitra an’Andriamanitra ho toy ny tsy misy. Izany fakam-panahy ho antsika avokoa, ary izany no angatahina amin’ity vavaka ity mba tsy ho tratra isika. Ny anafahan’Andriamanitra antsika amin’ny ratsy izay manapaka ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, mamatotra ny fiainantsika tsy hisy fifaliana.
« Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay » dia natao ho fankalazana, ho fanomezam-boninahitra, ho eo amin’ny toeram-boninahitra sahaza ho azy. Mila mahay mametraka amin’ny toerana sahaza an’Andriamanitra isika fa izany no maha tompon’ny hery Azy.
« Amen » : ho tanteraka tokoa anie izany.
Famintinana :
Ny vavaka nampianarin’ny Tompo dia :
1 - Fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra
2 - Fangatahana mahakasika ny fiainantsika.