NY DIDY FOLO
Nomen’Andriamanitra ho an’ny olombelona ny Didy Folo.
Ny toetra mampiavaka ny Didy folo :
- nosoratan’Andriamanitra tamin’ny vato fisaka, azo lazaina fa nosoratan’Andriamanitra mivantana fa Mosesy mpitondra fotsiny ;
- didy nomen’Andriamanitra ny vahoaka azo ampiharina amin’ny fotoana rehetra ;
- rehefa manaiky iasan’ny Fanahy Masina ny olona dia aseho ny famonjeny sy ny fiainana amin’ny fankatoavana ny Didy folo ;
- ny didy folo dia tsy zavatra hafa akory amin’ny filazantsara fa natao ho fankatoavan’ny olom-boavonjy ;
- voasoratra ao amin’ny sain’ny isam-batan’olona ny didy folo na tsy mandray ny Baiboly aza izy, fa ambaran’Andriamanitra koa fa tsy misy fialana azo atao noho ny tsy fahalalana ;
- mizara roa mazava tsara ny didy folo : ny 4 voalohany momba an’Andriamanitra, ny 6 faharoa momba ny olona.
- Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany
Tsy azon’Andriamanitra ekena ny fampirafesana ao am-po amin’andriamani-kafa. Matetika anefa dia manompo andriamanitra hafa ao am-pontsika isika.
- Aza manao sarin-javatra voasikotra ho anao, aza miankohoka eo anatrehany
Nataon’Andriamanitra ho ambony ary ho mpanjaka ny zava-boary manontolo ny olombelona ; tsy natao hanompony zava-boary fa ny ampiasa ny zava-boary mba ho fitaovana hampandroso antsika.
- Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao
Ny anaran’i Jehovah dia tokony angatahantsika ny fanatrehany. Tsy tokony ho tonontononina amin’ny zavatra tsy misy dikany ny anaran’Andriamanitra. Tononina ho amin’ny fitadiavam-pamonjena ny anaran’Andriamanitra ary ho amin’ny fanomezam-boninahitra ny anaran’Andriamanitra.
- Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasinana azy
Ny hoe Sabata dia midika hoe fitsaharana. Milaza fotoana ihany koa ny Sabata. Ho amin-tsika Kristiana dia tsy ny fotoana no zava-dehibe fa ny fahatsiarovana ilay andro sabata. Ao amin’ny testamenta vaovao ny Sabata dia ny andron’ny Tompo. Ho antsika Kristiana, ny andro rehetra no atao hoe Sabata satria ny andro rehetra dia andron’ny Tompo : azontsika hiantsoana ny Tompo. Ao amin’ny Tompo no misy fitsaharana.
Ny andro iray nomen’i Jesoa Kristy lanja dia ny alahady. Ny andro alahady no nandreseny ny fahafatesana ka nitsanganany tamin’ny maty. Manan-danja ho amin’ny fiainan’ny Kristiana ny andro alahady, io ihany koa no nanomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina izay atao hoe fahaterahan’ny Fiangonana. Ny andro alahady no nifampitaonany tamin’ny mpianatra taorian’ny nitsanganany.
Jesoa Kristy no tena fitsaharana ho antsika ka ny olona rehetra misasatra dia tsy maintsy mila sabata izay hitsaharany.
Ny andro alahady dia andro fialantsasatra hanovozana hery ao amin’Andriamanitra ary natao hanomezana voninahitra an’Andriamanitra.
Ny tapany voalohany amin’ny didy folo izay mahakasika Azy Andriamanitra dia nitaomana antsika hitiavana Azy amin’ny fontsika rehetra, amin’ny saina rehetra, amin’ny herintsika rehetra. Izany hoe mirakitra ny zavatra rehetra, ny saina mandrafitra ny tanjona na paik’ady izay atao rehetra ary ny hery izay atao amin’ny zavatra rehetra manatanteraka azy.
Vina : ny fananana fijery ho avy mamiratra eo amin’ny fiainana. Ny vina dia Andriamanitra no mametraka azy amintsika.
Tanjona : fandrafetana tetik’asa mazava azo tanterahina amin’ny fotoana mazava.
Ny didy 6 faharoa dia didy mahakasika antsika rehetra.
- Manajà ny rainao sy ny reninao
Mendrika ny ho hajaintsika izy ireny.
- Aza mamono olona
An’Andriamanitra ny aina, Izy irery no manana fahefana hahafaty sy hahavelona antsika. Tsy misy olona manana fahefana handatsaka aina. Tsy izay rehetra mandatsa-drà amin’ny famonoana olona ihany fa izay rehetra manimba na manohitohina ny fiainana maha olona dia efa fanombohan’ny famonoana olona avokoa ; toy ny mandatsa, manilikilika, ny fihetsika na fiteny mandratra ny olona amin’ny lafiny rehetra, fanambakana, ny fankahalana, …izany rehetra izany dia manimba sy fanombohana famonoana olona, azo takarina amin’izany fa tsy famonoana olona ihany no fandikana ity didy ity. Ambaran’ny Tenin’Andriamanitra fa ny mpamono olona dia tsy manana anjara amin’ny fiainana mandrakizay.
- Aza mijangajanga
Miseho amin’ny endriny roa ny fijangajangana :
- amin’ny alalan’ny fanompoan-tsampy izay fijangajangana ara-panahy ;
- ny fijangajangana ara-nofo.
Ny fitsiriritana dia efa fijangajangana. Amintsika Kristiana dia ny fanambadiana eo imason’Andriamanitra no fanambadiana ara-dalàna : ny fanambadiana vita fanamasinanana. Tokantrano hanomezana anjara toerana an’Andriamanitra. Tena fahariam-piainana vaovao ny tokantrano nohamasinina ho an’Andriamanitra. Mahasaropiaro an’Andriamanitra ny tokantrano noho izany dia saropiaro amin’ny fahamasinana sy ny fahadiovan’ny tokantrano Andriamanitra.
Matio 5.27-32 dia misy fampianaran’i Jesoa ho fampitandremana antsika ho amin’ity didy. Tsy ny vehivavy ihany no tondroina amin’io fa ny lehilahy ihany koa. Tsy ny fakana vadin’olona ihany no atao hoe fijangajangana fa ny olona efa manambady nefa maka vadin’olona ihany, toy izany koa ny mpitovo maka vadin’olona, ny firaisana ivelan’ny fanambadiana : zavadehibe ny fitandrovana ny fahadiovana alohan’ny fanambadiana.
Tsy izay miharihary ihany fa izay atao miafina koa. Anisan’izany ny fanomezana asa na toerana ho sandany ara-nofo. Toy izany koa ireo fomban-drazana.
Efa manomboka miseho koa ankehitriny fa tsy mety ny firaisan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy. Izany dia fandikana ny lalàn’Andriamanitra. Izany rahateo no nandravana an’i Sodoma sy Gomora. Romana 1.26-32 : ka ny fahatezeran’Andriamanitra no hita ao. Amin’ny fibebahana ihany no hahafahan’ny mpijangajanga na mpitovo izy na efa manambady.
- Aza mangalatra
Ampitandremana isika mba tsy hitsiriritra fananan’olona na hamitaka olona. Ny fakana zavatra tsy an’ny tena dia mangalatra avokoa. Ny tsy fahaizana mitantana ny harena nomen’Andriamanitra antsika koa dia endrika hisehoan’ny fangalarana. Ohatra : ny Tenin’Andriamanitra dia zava-tsoa nomeny antsika dia tokony haintsika ny mampiasa sy mizara azy amin’ny hafa.
- Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao
Ny firaisana tsikombakomba amin’ny ratsy mba hamelezana na hamandrihana ny hafa dia tsy ankasitrahan’Andriamanitra. Ny lainga dia fahotana mahavery. Oharin’ny Soratra Masina amin’ny adala ny mpandainga ohabolana 10.18. Ny fijoroana ho vavolombelona mandainga dia midika ho fanendrikendrehana. Avy ao anatin’ny fo no iaingan’izany faharatsiana sy fahotana tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany.
- Aza mitsiriritra
Ny fitsiriritana no fiaingan’ny fahotana, fanaovana izay ahazoana izay tsy an’ny tena izany ka miteraka fakana am-pitaka na an-kery na an-kafetsena. Ny Soratra Masina dia efa nampianatra antsika sahady fa eo amin’ny fitsiriritana dia efa fahotana sahady, midika izany fa tsy misy afaka miala amin’ity didy ity isika. Anisan’ny fahotana fototra ho antsika olombelona ny fitsiriritana ny toeran’Andriamanitra.
Ny finoana sy ny fanomezana anjara toerana an’Andriamanitra ao amin’ny fontsika no entintsika mankato ity didy ity. Ary tsy misy afatsy ny fampanjakana ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo sy saina, amin’ny hevitsika rehetra ary ny hitiavantsika ny namantsika tahaka ny tenatsika no ahafahantsika miaina sy mankato ny Tenin’Andriamanitra.