Tafahaona: ALAKAMISY FAHA-20 AOGOSITRA 2020 .

""Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe : Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka am- piakanjoy azy ; ary asio peratra ny tanany sy kapa ny tongony; ary ento aty ny zanak'omby nafahy, ka vonoy ; ary aoka isika hihinana sy hifaly; fa ity zanako ity efa maty fa velona indray ary efa very, fa hita indray. DIA NIFALY IZY."" ( LIO . 15. 22-24 ). Ilay "ZANAKA ADALA", niala tao an-tranon- drainy , ka lasa nanarampo tamin'ny filalaovana sy ny filany tany , NEFA " NODY NY SAINY, ka ni verina "NODY TAO AMIN-DRAINY", no tsaroana amin'izany TENY ifampizarantsika anio izany ! ""EFA MATY FA VELONA INDRAY"" hoy ny rainy NANDRAY NY ZANANY ! Miova tsy toa an tsika tokoa izany !!? Fa "MATY", tafasaraka tami n'ny Raintsika , dia Andriamanitra , isika raha ● "LASA LAVITRA AZY TANY" ,""voasakana"" tsy nahazo nankeo ANATREHAN'NY TOMPO, efa ho dimy volana( mihoatra) izay , toy ny "olona nirenireny teny rehetra teny"! Tsy vitsy tamintsika to koa ny nahatsiaro TE-HIVERINA HO AO AN-TRA NONY , "MANINA NY TRANON'I JEHOVAH" . Fa nisy koa ireo toa "faly"( sa variana ) tany ivelany, toy ny "EFA MATY", tapaka FIFANDRAISANA TAMIN'NY TOMPO,Ilay LOHARANON'NY FAHAVELOMANA ! Tsy nahatsiaro "naharary azy akory ny tsy nahafahany nankao an-Tempolin'ny Tompo! ""EFA VERY FA HITA INDRAY""hoy ny rainy , ta min'ny nahitany ny zanany niverina , nisaringo- borodamba ! Tsy toy izany koa ve isika, izao efa mba HIVERINA AO AN-TRANO'ILAY RAINTSIKA izao , "sisa tsy ringan'ny aretina", toy ny misarin go-borodamba !!? EFA NANOMANA IZAY NIVERENANTSIKA NY TOMPO : ● OMENY NY AKANJO TSARA INDRINDRA, hira kofantsika Izy , dia i JESOA ILAY FITAFIANA TSY NATAON-TANANA , hiarovany antsika , tsy ho azon'ny HATSIAKY NY FAHAMENARANA , raha hijery antsika izao tontolo izao , avy niatrika iny ADY MAFY , "nanarabiany antsika iny hoe: AIZA IZAY ANDRIAMANITRAREO ?" ● ASIANY PERATRA NY TANANTSIKA , dia ilay "FAHEFAN'NY ZANAKA", avy amin'ny Rainy , hia trehany amin-kery tsy misy tahotra ny Fiainany, hijoroany fa ""ZANAKA NATSANGAN'ANDRIAMA NITRA"" izy ! ● KIRAROINY KAPA NY TONGOTSIKA , fa handeha HITORY SY HIZARA ILAY FITIAVAN'NY RAIN TSIKA amin'izao tontolo izao ! ● ARY "ZANAK'OMBY NAFAHY", efa voaomana ho amin'ny FIFALIAN'NY VOAVONJY , NOHO NY FITIAVANA SY FAMINDRAMPON'ILAY RAY MAN DRAKIZAY , no afahany antsika ao AN-TRANONY """"DIA MIFALY ISIKA"""!!!! HALELOIA ! AMEN ! Ny Mpitandrina RANJAKAVOLA FJKM ANKADIFOTSY
Date
20/08/2020