SAMPANA SEKOLY ALAHADY

KOMITY 130 Taona

HAY SORATRA MASINA-dingana FAMARANANA
 

Nifarana omaly Alahady 20 Novambra 2022, ny fifaninanana Hay Soratra Masina, nokarakarain'ny komity sy ny mpampianatra Sekoly Alahady. Hetsika ao anatin'ny fankalazana ny faha- 130 taonan'ny Sekoly Alahady.

  • Ny vondrona MARKA no nivoaka ho mpandresy tamin'ny isa 60, ny vondrona LIOKA no faharoa tamin'ny isa 43.

Nisy hatrany ny fampianaran'ny raiamandreny Mpitandrina Ravaloson. Seho an-tsehatra nandraisan'ireo Sampana eto amin'ny Fitandremana anjara kosa no nanelanelana ny fifanitsanana.

Ny fizarana ny fankasitrahana ho an'ireo rehetra nandray anjara hatrany amin'ny fifanitsanana kosa dia hotanterahana ny Alahady 11 Desambra 2022, Alahadin'ny SekolyAlahady.

 

Date
23/11/2022