HETSIKA LEHIBE F.5 KIANJABEN'I MAHAMASINA

Fitoriana Filazantsara amin’ny endriny rehetra.

Hetsika F5, izay karakarain'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara ny Sabotsy 01 Jona 2019 ao amin'ny kianjaben'ny Mahamasina dia ahitana ireto:


F1.  Fitoriana ny Filazantsaran'i Jesoa araka ny vinan'ny FJKM hoe “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara” koa dia hamonto Filazantsara ny vahoakan'Antananarivo renivohitra sy ny manodidina isika,

F2. Fitoriana an-kira iarahana amin’ireo Mpanakanto zanaky ny FJKM,

F3. Fitsaboana sy fitiliana maimaimpoana (Tension, diabète, SIDA...)

F4.  Fanatanjahantena. Baolina Kitra hifanandrinan'ireo Mpitandrina eo anivon'ny FJKM Antananarivo Renivohitra sy ny Manodidina (ARM),

F5. Fiaraha-misakafo izay jifaina amin’ny vidiny mirary.

Nisy ny fanomanana ireo mpanompon’Andriamanitra hitory Filazantsara amin’io fotoana io tetsy amin’ny FJKM Ambatomena ny Alatsinainy 13 sy ny Alakamisy 15 Mey isaky ny tamin’ny 12 ora hatramin’ny 2 ora ka nametrahana ireo fomba fiasa rehetra sy ny fandaminana.

Nanangona Veronica Andrianarison

 

fanasana

 

 

 

 

Date
22/05/2019