Herinandron'ny Fianakaviana

Fitandremana Ankadifotsy

Herinandron'ny fianakaviana

 

Ny Alatsinainy 13 Febroary - zoma 17 Febroary 2023 isaky ny amin'ny 6ora hariva.

 

Ireo loha- hevitra sy ny hitondra ny fampianarana:

Alatsinainy 13 Febroary 2023

 

« Ho fanambadiana tsara fototra sy mafy orina amin’ny Tenin'Andriamanitra ».

 

RAVELOSOA Andriamamonjy Michaël, Mpitandrina. FJKM Katedraly Analakely.

 

Talata 14 Febroary 2023

 

« Ho lehilahy matotra sy tompon 'andraikitra mampiadana ny vady aman-janany araka ny baikon' ny Tompo »

 

RAVALOSON, Mpitandrina. FJKM Ankadifotsy. Hiarahana amin'ny fikambanana SAHA EDENA .

 

Alarobia 15 Febroary 2023

 

« Ho vehivavy hendry sy mendrika, mandeha araka ny Tenin'Andriamanitra ho fitahiana ho an'ny ankohonana »

 

RAZAFINDRAMIARA Vololontsoa Hanitriniaina, Mpitandrina sady talen' ny sekoly FJKM Anosizato Andrefana.

Alakamisy 16 Febroary 2023

Ray aman-dreny mahay manabe sy mitarika ny zanany ho fehezin'ny Tenin'Andriamanitra.

 

Atoa RAFALIMANANA Camille, FMMB

 

Zoma 17 Febroary 2023.

 

« Ho Zanaka manaja sy mpankatò ny Ray aman-dreniny araka ny didin' Andriamanitra ».

 

RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa Mpitandrina , FJKM Atsimon' Imahamasina.

 

Tongava maro ho Voninahitr’Andriamanitra !

Date
07/02/2023