Herinandro sambatra 2018 TILY SY MPANAZAVA FJKM ANKADIFOTSY

NOELY AN-DASY no nentin’ny TILY sy  Mpanazava nankalazana ny herinandro sambatra teto amin’ny FJKM Ankadifotsy ny Alakamisy  20 Desambra 2018 nanomboka tamin’ny 6 ora hariva.

Nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny tantara an-tsehatra noravahana feon-java-maneno sy hira izany.

 Mitohy hatrany ny fiderana sy fankalazana ny herinandro Sambatra eto amin’ny Fitandremana Ankadifotsy toy izao ny fandaharana manaraka amin’izany :

  • 21 Desambra 2018 : Mpihira zokiny
  • 23 Desambra 2018 : Stk Hay Kanto
  • 24 Desambra 2018:  Mpihiran'ny fatimbona

Manomboka  amin’ny 6 ora hariva ny fotoana ary  ny toerana dia FJKM Ankadifotsy

  • Ny 25 Desambra 2018 : Sekoly alahady ka hiantomboka amin'ny 3 ora tolakandro.

 

Araho an-tsary ary izany seho izany

Date
21/12/2018