fintim-baovaon´ny sampana, sampan´asa, asa ary fikambananana

NY SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA: ny 4 Novambra 2018 no fanateram-bokatry ny sampana

NY SITEWEB: ny 11 Novambra 2018 no fanateram-bokatry ny sampana.

NY SAMPANA DORKASY: ny 11 novambra 2018 no ivon´ny faha-120 taonan´ny sampana.

NY SAKAIZAN´NY BAIBOLY: ny 2 desambra 2018 no fanateram-bokany.

AFF: hotokanana ny fiangonana mpiara-miasa amintsika eto Ankadifotsy dia ny FJKM Ankazoabo ny 4 Novambra izao. Hofiaraha-mietana amin´izy ireo dia hisy solotena avy amin´ny vondron´olona mpiara-mivavaka natsangantsika any Berenty hisolotena hiara-paly amin´izany.

SEKOLY ALAHADY: nanomboka ny Alahady 28 novambra 2018 teo ny fandraisana ireo ankizy otista hianatra ny tenin´Andriamanitra. Efa manombok ihany koa ny fianarana hazo krismasy isaky ny Alahady hariva eto am-piangonana. Ary handray anjara amin´ny filaharambe eny Andranomalaza Ivato ny 10 Novambra izao ny sampana sekoly alahady  eto Ankadifotsy.

SAFIF

Ny 12 Dec fizarana sakafo noely ho an´ireo sahirana karakarain´ny fiangonana.

Noraisin-tànana sy naseho teo anivon´ny fiangonana ireo mpiandry vao natokana teo anivon´ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano. 5 mianadahy izy ireo tamin´izany, ny iray mpiara-manompo avy any amin´ny fitandremana hafa dia:

Andriamiadana Rakotoarivelo

Ravelonarivo Solo Tiana

AndriamandratomananaTahiana

Rakotoarintsoa Miangola

Rabeharisoa Norohanta

Date