Alahady 06 janoary 2019 FJKM Ankadifotsy

             Alahady voalohany amin’ny taona  ny 06 janoary 2019,  andro nofidian’izy 63 mianandahy nanolorana ny tenany  ho isan’ny mpiray latabatra amin’ny Tompo teto amin’ny FJKM Ankadifotsy. Nisy koa ireo nitondra ny zanany hatao batisa.

             Manolotra fiarahabana sy firariantsoa antsika rehetra  izahay komity Site Web nahatratra izao toana vaovao 2019 izao. Ary koa  faly miarahaba anareo 63 mianandahy noho izao fidiranareo  ho isan’ny mpiray latabatra amin’ny Tompo izao, koa mampahery anareo haharitra sy hahavita be hatrany amin’ny asan’ny Tompo. Enga anie izany fanoloron-tena izany hitohy hatrany  ka hijoro ho vavolombelon’ny Tompo ianareo amin’izay rehetra ataonareo  sy alehanareo  amin’ny sehatra rehetra.

 

 

Date
07/01/2019