Akon'ny Fetin'ny Ray 19 jona 2022 FJKM Ankadifotsy

"Fa izay notahiana dia voatahy mandrakizay." I Tantara 17:27b
 
Dada
 
Ianao no ilay ray,
Voatendry ho anay
Lehilahy tena mahery
Voaantso hampahery
 
Ka ho tanteraka aminao
Ny teny masina toy izao
Notahiana ianao ry Dada
Ka ny nitahiana Anao
Nitondra hery mahagaga
Tsy ho ravan'ny mpandrava
 
Fa fitahiana tsy ho lany
Ho an'ny mino sesilany
Toky avy amin' i Jehovah
Fa ny teny marina tsy miova
F' izay nahazo fitahiana
Aoka hidera am-pifaliana.
 
Hantanoro
19 Jona 2022
8 ora 10'
FJKM Ankadifotsy
Date
20/06/2022