28 natao batisa

Nisy 28 no natao batisa tamin'ireo sahirana karakarain'ny fiangonana eto Ankadifotsy amin'ny alalan'ny vaomieran 'ny asa sosialy sy ny Sampana fifohazana. Notafiana akanjo vaovao izy ireo tamin'izany. Misy ny fitaizana ara-pinoana no ataon' ny SAFIF amin'izy ireo isaky ny Alarobia hariva, misy koa ny sekoly Alarobia ho an’ny ankizy hampianarana Tenin'Andriamanitra. Ny vaomieran'ny asa sosialy kosa dia manohana azy ireo amin'ny vary sy savony in-droa isam-bolana. Anisan’ny enti- manao izany Asa izany dia avy amin’ny raki-pisaorana arotsaka ny mpianankavin'ny finoana ao amin'ireo vata 3 isan'alahady. 

 

Fifi AV

Date
04/10/2019