Fitokanana ireo tsangam-baton'ny faha 150 taonan'ny Fiangonana - ny trano fivoahana

Isan'ireo ezaka niarahan'ny Komity faha 150 taonan'ny Fiangonana t@ Sampana Dorkasy ny fanavaozana manontolo ny trano fivoahana. Ho fitsinjovana manokana ny vehivavy dia navadika ho ao ambany rihana ny trano fivoahana ho azy ireo. Ny an'ny lehilahy kosa no lasa ao ambony rihana. 

Tery ny trano teo aloha raha tsaroatsika, ary sarotra ny fivoahan'ny fofona. Navaozina tanteraka araka izany ny firafitry ny trano anatiny ho malalaka kokoa ary nasiana fitaovana manokana mitroka ny fofona.