SALAMO 89.20-38 F. 1

AZY MANDRAKIZAY

 

Zanany mandrakizay. Lalina ny fitiavan’Andriamanitra an’i Davida, mampahatsiaro ny fitiavan’i Jakoba an’i Josefa zanany. Azontsika an-tsaina ve izany fitiavana izany? Toy ireny reniakoho mitarika ny zanany ireny, saro-piaro sy masiaka dia masiaka tokoa raha misy mitady hanatona ilay zanak’akohokely. Andriamanitra eto dia milaza mihitsy fa Rain’i Davida izy: momba, mampahery ary miaro azy. Fa dia toy izany koa anefa izaho sy ianao eo anatrehan’Andriamanitra noho ny amin’i Jesoa Kristy, “Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.” (Romana 8.15-16)

 

Andriamanitra, dada. Ny ray matetika no malaza masiaka sy hentitra ao an-tokantrano. Izy no mametraka ny fitsipika ankapobeny enti-miaina eo anivon’ny ankohonana, ary rariny loatra raha sarotiny ny amin’izany izy amin’ny maha-tompon’andraikitra voalohany azy. Andriamanitra dia tena Raintsika ihany koa, te-hifandray tsy tapaka amintsika isan’andro Izy. Tanteraka izany tamin’ny alalan’ny nanomezany antsika ny Teniny, dia ny Soratra Masina izany. Ao no hahalalantsika bebe kokoa Azy sy ny Fitiavany antsika, hahatsapantsika tokoa fa Raintsika Izy ary Zokintsika Jesoa.

 

Hafatra : Makà fotoana hihainona an’Andriamanitra miantso antsika isan’andro hoe: “zanako ianao”!