SALAMO 85 F. 4

NY FAMONJEN’ANDRIAMANITRA NY OLONY

 

Efa voavela heloka (1-3). Ny fankasitrahan’Andriamanitra ny olony no namerenany azy tany amin’ny taniny ary nanomezany antoka fa voavela ny helony ka tsy misy atahorany intsony ny fahatezeran’Andriaamanitra. Rehefa tena niroso marina tamin’ny fibebahana koa isika dia matokia fa efa voavela heloka.

 

Vonjena amin’ny fahasoavana (4-7). Mahavariana ihany ireto olona izay vao afaka tany amin’ny fahababoana tany Babilona ireto satria na dia namela heloka aza Andriamanitra dia mbola miaina eo ambany fikapohana ihany izy ireo (5, 6). Manoloana izany dia tsy miantehatra intsony amin’ny ezaka sy fahamarinany izy ireo fa mifatoka amin’ny fahasoavana sy fahatsaram-panahin’Andriamanitra mba hahavoavonjy azy (Efesiana 2.8).

 

Setriny avalin’Andiamanitra (8-13). Ny fahasoavana sy fahamarinana dia avy amin’i Kristy (Jaona 1.17). Mankasitraka Jesoa ô ! Ambara eto ny famonjena nataon’Andriamanitra tamin’ny andro lasa sy ny fitahiana manarak’izany (10-13). Rehefa miaina ao anaty fahatahorana an’Andriamanitra ny olony dia mitahy azy Andriamanitra ary manome azy ny fiadanany.

 

Vavaka : Misaotra, Jesoa Kristy ô, namonjy ahy fa izany fitiavanao ahy izany no manery ahy ankehitriny hanompo anao tsy misy fetra. Amena !