SALAMO 77. 1- 20 F. 1

MANANTENA ILAY ANDRIAMANITRA TSY MIOVA

 

«Antso   vonjy…»   (1-9).   Na   eo   aza   izay   mety fitarainana   mafy   dia   hitantsika   fa   tsy   tonga faingana  ny  vonjy  nangatahiny  (1-2),  kanefa  dia mbola  nitohy  natoky  anAndriamanitra  foana  ny mpanao  Salamo  eto.  Tsy  mahita  tory  aminny alina, manandratra ny tanana ho fitalahoana mba hamaliana  azy.  Tsy  nanafina  ny  adin-tsainy  izy fa  sahy  namboraka  izay  tao  am-pony  (6-9),  ary izany koa no afaka manamaivana antsika raha tena manana fifandraisana lalina aminny Tompo isika.

 

“Manova toe-po” (10-12). Ny fitodihany nijery ireo lasa ka nametsovetsoany ireo asan’i Jehovah sy  ny  nahatsiarovany  ireo  fahagagana  nataony

(11) no nampiova ny toe-ponny mpanao Salamo eto. Ho antsikkoa dia manova ny toe-pontsika manoloana ny zava-manahirana hatrehintsika ny fahalalana sy ny fahatsiarovana fa Jesoa Kristy ilay hitalahoantsika manoloana izay zavatra sarotra lalovantsika dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakiazay (Hebreo 13.8).

 

«Ireo lasa tsy fanadino no mamelona ny fanantenana»(13-20). Voalohany dia ny fahatsiarovana fa tsy misy tahaka an’ Andriamanitra

(13) ary naseho eto ny fahamasinanny làlany sy ireo fahagagana nataony nanoloana ireo firenena samihafa, indrindra fa ny namoahany ny Zanak’ Israely tany Egypta. Namela dindo sy fanantenana ho anny taranaka taty aoriana tokoa ny fahatsiarovana ny fomba fitondranAndriamanitra ny olony tany aloha tany.

 

Saintsaino: « Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, » Isaia 46.9