SALAMO 74.1-23 F. 1, 2

FITARAINANA AMINANDRIAMANITRA

 

Fitarainana lalina (1-11). Taorianny taona 587 talohan’i J.K. izay namaboanny Babyloniana an’i Jerosalema, ka nandravany ny Tempoly no azo inoana fa nanoratana ity Salamo ity. Mahonena ny mahita ny tanàna sy ny Tempoly rava, ary indrindra Andriamanitra izay nahafoy ny Tempoliny. Tao anatiny izany dia mitalaho ny mpanao Salamo ;

 

  - nahoana no nanary anay sy tezitra aminay? (1)

- maninona no avela hanjakazaka ny fahavalo? (3b-8)

  - tsy hita intsony ny mpaminany mpitondra ny hafatrAndriamanitra (9)

  - mandra-pahoviana no haniratsira sy hanamavo ny anaranao ny fahavalo? (10)

  - nahoana Ianao no mitazam-potsiny? (11). Tena very fanantenana sy kivy ny olony! Mety hiharan-java-tsarotra toa izany koa isika  mpino ka sady manontany ny antonny fahavoazana no miantso vonjy aminAndriamanitra. Ho fizahan- toetra ny finoantsika? Sa famaizana noho ny fahotana natao?  Handeha samy handinihan-tena ny zava-mitranga.

 

Fangataham-pamonjena ombam-panantenana (12-23). Tao anatin’ireo fahoriana ireo dia nihatsampy taminAndriamanitra ny mpanao Salamo, nitalaho : “tsarovy ny fiangonanao…aingao ny tongotrao” (2a,3b). Nahatoky anAndriamanitra izy satria fantany tsara ny momba Azy :

  • Mpanjaka
  • Mpamonjy (12-13)
  • Mpanao fahagagana sy Mpandresy ny fahavalo, Mpamorona (12-17).

 Notanisainy avokoa ireo satria fantany fa tsy misy dikany ny herinny fahavalo ampitahaina aminny herinAndriamanitra. Mitaona anAndriamanitra izy hiditra an-tsehatra ka haneho ny maha-Tompo Azy. Miantsoantso izy: tsarovy (18), aza manadino, hevero (19,23), mitsangàna (22). Ho tahaka ny mpanao Salamo anie isika rehefa mandalo ady sarotra : “Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho” (Malakia 3.7b). Aminny fomba ahoana? Aminny alalanny vavaka fibebahana.

Fanantenana : Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.(Jaona 16.33b)