SALAMO 73.1-28 F. 2

LAVO FA TAFARINA

Lavo noho ny fo maloto (1-3). Tsara Andriamanitra! Fo manao ahoana anefa no mahatsapa izany? Fo madio (1). Ny toe-pontsika tokoa dia miantraika any aminny fijerintsika ny tenantsika, ny hafa, ny fiainana, ka hatrany aminny fijerintsika anAndriamanitra! Inona no vokatry ny toe-po feno fialonana? Fahalavoana mitondra fijaliana sy fankahalana (2).

 

Fijery mivadika (4-14). Rehefa nanana toe-po ratsy ny mpanao Salamo dia :

 

1°) Nahita fa henika ny fanambinana rehetra ny ratsy fanahy (4-5, 7); eny fa na ny ratsy ataony aza dia heverina ho tombotsoany

2°) Nihevitra fa zava-poana ny nanarahany anAndriamanitra (6, 8-12); fatiantoka ho azy ny fiaretany niaraka taminy (13-14). Izany tokoa ve ny marina? Tandremo ny fo  maloto,  indrindra ny fialonana fa mampivadika tanteraka ny fijery rehetra ho aminny fampahorian-tena izany!

 

Tonga saina  (14-17). Niova  hevitra  tampoka ny mpanao Salamo. Tsapany ny maha zanakAndriamanitra azy ary tsapany koa ny mety ho fiantraikanny hevi-disony tamin’ireo mpino namany raha fantatr’izy ireo (15). Tsy mahatakatra ny hevitrAndriamanitra tokoa mantsy isika rehefa ao anaty toe-po ratsy, ka dia misaintsaim-poana (16). Soa fa nahay niantoraka taminAndriamanitra ny mpanao Salamo (17).

 

Tafaverina indray (18-28). Rehefa nitodika taminAndriamanitra   izy,   dia   niverina   aminny

Fijery marina :

 

1°) Loza ny fiafaranny ratsy fanahy (18-20) ;

2°) Zava-poana ho anny tena ny fitsiriritana azy ireny (21-22, 27) ;

3°) Tsara loatra ny mialoka eo aminAndriamanitra na aminny mora na aminny sarotra (23-26, 28).

 

Vavaka : Tompo ô, izaho dia ny eo akaikinao no mahatsara ahy. Ampio aho hahay hiantoraka aminao hatrany. Amena !”