SALAMO 69.1-13 F. 6, 7

FANKAHALANA NOHO NY AMIN’I JEHOVAH

 

Noho   ny Aminao (7). Vahoaka nofidinAndriamanitra ireo Zanak’israely (Eksodosy 6.7a). Naniry ny handehanan’izy ireo aminny fahatahorana sy fankatoavana Azy i Davida. Raha ny aminy manokana dia nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah izy ary saro-piaro ny aminny fahamasinany (9; 1Mpanjaka 15.5). Izany indrindra no hankahalana azy (7). Tsy ny vahoaka ihany fa ny zanany, ireo sakaizany dia samy nifofo na ny ainy na ny fanjakany (2Samoela 15.12-14). Mafy loatra ny fankahalana ka tsaroany toa hanafotra azy (1-4). Teo ireo nihomehy sy nanadroadro azy raha nahita ny alahelony sy ny fanehoany izany (10-12).

 

Tsy nihevitra ny tenany ihany (5-6). Na dia mafy aza ny alahelony, mbola nisaina ny hafa ihany i Davida. Nanahy izy ndrao nisy akony tamin’ireo izay nitady marina ny Tompo ny fahalemenka hampihemotra na haketraka azy ireo.

 

   Tsy misosa ho azy. Tsy mijanona eo aminny fanekena an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanny kristiana. Eo no tena manomboka ny atao hoe adim-panahy. Efa nampiomana antsika Jesoa ary nampahery antsika ho vonona hizaka fahoriana noho ny Aminy: « Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. » (Jaona 15.18).

 

   Fampieritreretana : « Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka anAndriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesoa, dia henjehina » (2Timoty 3.12).

 

Safidy misy fiantraikany ny fanarahana ny Tompo sy ny sitrapony. Tsy izay hitanny maso sy renesinny sofina no hampihemotra. Toa an’i Davida, dia aoka isika tsy ho menatra ny hiantoraka amin’Ilay iorenanny finoantsika. Izy irery no Mpamonjy ary manome ny fandresena (13).