SALAMO 65.1-12 F. 1

MENDRIKA HO DERAINA ANDRIAMANITRA

Mamela heloka Andriamanitra (1-4). “Ho Anao”, teny miantefa manokana aminAndriamanitra. Ny voady dia mariky ny fanoloran-tena fa tsy fomba hanerena anAndriamanitra akory. Ny olona voavela heloka no olom-boafidy sy sambatra ary afaka miditra ny kianjany. Tao amin’i Jesoa Kristy no nifidiananAndriamanitra ary nahatonga ny olona iray ho mpisorona ka ho afaka manantona sy misitraka tanteraka ny fanatrehany (Jaona 14.6; Efesiana 1.4-7; 1Petera 2.9).

Manjaka amin’izao rehetra izao Andriamanitra (5-8). Ny olom-boafidy, efa niaina ny famonjenAndriamanitra, toy ny mpanao salamo, no afaka mahita ny zava-mahatahotra ataonAndriamanitra amin’ny fahamarinana. Ny nataonAndriamanitra tamin’Israely  (namonjy) dia hainy tanterahana amin’izao rehetra izao. Manana fahefana aminny zava-boahary sy ny olombelona Izy. Fifaliana no ateraky ny heriny sy ny fahalebiazany.

Mamatsy Andriamanitra (9-12). Andriamanitra no mampiodina ny zava-boahary rehetra. Tsy nahary izao rehetra izao  fotsiny  Andriamanitra fa mbola mitohy mandrak’ankehitriny mandray andraikitra aminny fikarakarana ny  firindrany sy ny fahavokarany. Mahatonga  antsika  tsy hanana ahiahy izany fa koa hifaly sy hihoby manoloana ny famindram-po sy fahalehibiazany. Fahamarinana: Mikarakara ny lafim-piainana rehetra Andriamanitra, na ny ara-batana (manome sakafo) izany na ny ara-panahy (mamonjy). Mampianatra antsika iankina tanteraka  Aminy izany ary ho feno fisaorana sy fiderana Azy