SALAMO 62.1-12 F.2,7

FINOANA MANDRESY

          Ireo endrika fanenjehana atao amin’ny olo-marina (3-4). Herisetra amin’ny tenany, fanimbana sy fandravana ny fananany, fikaonan- doha hampietry azy, filazana lainga izay toa tsara lahatra sy marina nefa mifono fitaka ary fo manozona sy mankahala (Jaona 8.44). Miezaka mandavo ny olon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitaoman-dratsy am-pitaka na fanenjehana ny fahavalony.

          Miharihary ny fandresen’ny finoan’ny olo- marina (2,5-7). Ampy azy Andriamanitra, Andriamanitra irery no iankinany sy itokiany, azony antoka ny fiarovan’Andriamanitra (Romana 8.31-39), miadana ao amin’Andriamanitra izy. Tsy mangozohozo izy na dia mafy aza ny fanafihana ataon’ny fahavalo satria mino fa Andriamanitra no vatolampy sy famonjena ary fiarovana avo ho azy (2, 6). Hoy Isaia: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina” (Isaia 54.17). Manana anjara amin’izany fandresen’ny finoana sy fiadanana ao amin’Andriamanitra izany avokoa ny vahoakan’Andriamanitra.

          Famporisihana nataon’i Davida (8-11),

  • Fandehanana amin’ny tsara. Finoana sy fatokiana an’Andriamanitra irery, fandoarana eo anatrehany izay ao am-po (8) satria :

                                      - Izy no arontsika (8b),

                                      - Maivana sady zava-poana ny olona (9), mifanohitra amin’Ilay Vatolampy azo ianteherana. Ny olona mety mandao sy mamitaka fa Andriamanitra mandray izay mitady azy amin’ny fo rehetra (Sal. 119.2b).

  •  Fialana amin’ny lalan-diso. Tsy miantehitra amin’ny harena azo tamin’ny fanaovana an- keriny sy ny halatra (10). Toa miadana ny fijery ny olona manao izany saingy tsy nahazo ny tsodranon’Andriamanitra ireny ka ho rava indray mipi-maso (Salamo 73.1-20). – Tsy hanankinana ny fo ny harena raha mitombo noho ny fitahian’Andriamanitra. Ny mpanome no itokisana fa tsy ny fanomezana (Jereo Lioka 12.16-21).