SALAMO 61.1-8 F. 2

FANJAKANA MANDRAKIZAY

          Any am-paranny tany. Mahatsiaro fahoriana mafy i Davida fa lavitra anAndriamanitra. Reraka ny foko” hoy izy. Mety mandalo fangidiana sy fahoriana lalina ary fitsapana mahamay tahaka an’i Davida koa isika. Fantatsika fa vatolampy avo” Andriamanitra, “fiarovana azo antoka” (aroko Ianao), ary “tilikambo mafy”, maniry isika hahatsapa ny fiadananny fanatrehany manodidina antsika (4). Saingy misy fotoana toa tsy mahatsapa izany isika fa toa lavitra be sady tsy azo tratrarina akory izany. Amin’izay indrindra no fotoana tsara iantsoantsika anAndriamanitra toy ny ataon’i Davida eto : “Henoy ny fitarainako Andriamanitra ô! Ento aho ho any amin’ny vatolampy izay avo ka tsy tratro” (1-2)

         Fa Ianao Andriamanitra ô! (5) Ny famindramponAndriamanitra irery ihany no antoka hihainoany ny vavaka ataontsika sy handraisantsika valim-bavaka ary hahatonga antsika ho mpandova Azy sy mpiray lova amin’i Kristy (Romana 8.17). Ny fahazoana antoka izany no nahatonga ny mpanao salamo nangataka zavatra lehibe kokoa (6-7) : fanalavana ny andronny mpanjaka, ny hitoeranny fanjakany eo anatrehanAndriamanitra mandrakizay sady feno ny famindrampo sy fahamarinana.

        Valim-bavaka. Jesosy Kristy, Ilay Mesia efa nampanantenaina, no fahatanterahan’io fangatahana io. Izy, ilay “Mpanjakan’ny Jiosy” (Marka 15.26) no mipetraka mandrakizay eo aminny tanana ankavananAndriamanitra, maneho ny hery sy ny fahatsaranAndriamanitra, sady mifona ho antsika (Romana 8.34).

       Ahoana no tohiny? Davida nivoady hankalaza anAndriamanitra isan’andro. Notanterahany izany na tsara na ratsy ny zava-nitranga teo aminny fiainany.

      Fampiharana : satria efa manjaka ny Mesia, ankalazao Andriamanitra ary tanteraho an- kafaliana sy amin’ny zoto-po isan’andro izay fanekena ataonao aminAndriamanitra (8).