SALAMO 56 F. 2

ANDRIAMANITRA NO TOKIKO

Midera ao anaty fotoan-tsarotra : Enjehin’ny Filistina i Davida ary fofoiny ho faty. Voatantara ao amin’ny boky  1Samoela 21.7-15 izany tantara izany ary io no antony nanoratan’i Davida ity Salamo ity. Miantso ny famindram-pon’Andriamanitra izy amin’izany (1) kanefa koa manambara ny fatokisany tanteraka Azy na dia ao anatin’ny tahotra sy ny horohoro aza. (3) Ary ny tena mahavariana dia mbola manambara fiderana an’Andriamanitra i Davida na dia izany aza no zava-miseho (4a). Ny fatokiany an’Andriamanitra no manafaka ny tahony ka hoy izy:”Andriamanitra no hitokiako ka tsy mba  hatahotra aho”(4b, 11). Maneho ny fitokisany amin’Andriamanitra tanteraka izany. Marina tamin’i Davida izany ary mbola marina mandraka ankehitriny fa raha misedra zava-manahirana isika dia tsy misy azo ianteherana afa-tsy Andriamanitra tokana ihany.

Ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko: Hitan’Andriamanitra amin’ny antsipiriany ny zava-manjo ny mpino Azy. Ny ranomaso tsirairay avy arotsaky ny olona mino Azy dia voatahirin’ Andriamanitra  ao anaty fitadidiany, izany no ambaran’ny sarin-teny hoe:”ataovy  ao an-tavoahanginao ny ranomasoko” mba hahazoany mampahery sy mamaly soa azy amin’ny fotoanany. Fantatr’i Davida tsara izany ka hamafisiny aorian’io teniny io ny fahazoany antoka fa momba azy Andriamanitra ka hoy izy: “Izao dia fantatro fa momba ahy Andriamanitra”(9b). Ary isika koa amin’izao fotoana izao dia milaza tahaka ny Apostoly Paoly hoe:”Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?”(Romana 8.31)

Fampaherezana: Manoloana ny fiharetana fahoriana dia hijinja fifaliana isika raha maharitra amin’ny fiarahana amin’Andriamanitra satria hoy ny voalaza: “raha miara-miaritra Aminy isika mba hiara-manam-boninahitra Aminy koa” (Romana 8.17b) sady mametraka Azy ho hany mpamonjy sy tokintsika.