ROMANA 9. 1–13 F. 6

FIRENENA VOAFIDY

 

Feno tsara ny fanazavan’i Paoly ny momba ny famonjena ao amin’ny Romana 1–8. Raha fintinina dia ny finoana an’i Jesoa Kristy no anamarinana ny olona sy amonjena azy (Romana 5.1, 18).

 

Ny tena fitiavana ? (1-5) Ny fitondrana am-bavaka sy ny fitadiavana hevitra hampitana ny filazantsara amin’ny olon-tiana rehetra sy ny mpiray tanindrazana. Manao ahoana ny fahaterenao hampahafantatra ny fiainana tsara iainanao ao amin’i Jesoa sy ny famonjeny amin’ny manodidina anao ?

 

Firazanana, taranaka (6-9). Eto amin’ny toko 9 dia toa hafahafa indray ny toerana misy ny Israely. Voafidin’Andriamanitra hanaovana fenekem-pihavanana ity firenena ity, tamin’ny alalan’i Abrahama, Isaka ary Jakoba (Genesisy 17; Deoteronomia 7.6). Tanisainy eo amin’ny andininy 4, 5 ireo tombondahiny maro nananan’ny israelita, indrindra amin’ny maha-iray rà azy ireo amin’i Kristy. Tsy midika izany fa tsy maintsy voavonjy daholo ry zareo. Voalaza eto fa tsy ny taranaka ara-nofo avy amin’i Abrahama no zanak’Andriamanitra, fa izay mandray ny teny fikasana, izany hoe izay mino ny famonjen’i Jesoa. Voamarika tsara eto koa fa tsy olombelona tsotra i Kristy, na dia taranak’i Abrahama ara-nofo aza, fa Andriamanitra, ambonin’ny zavatra rehetra (5). Ny firazanana arak’izany dia tsy natao ifikirana mafy fa miankina amin’ny tsirairay ny famonjena.

 

Andriamanitra masi-mandidy (10-13). Mba hampitombina ny planin’Andriamanitra momba ny famonjena dia nifidy an’i Jakoba Izy ho olony, tsy noho ny fahamendrehany fa ho fanehoana ny fahasoavan’Andriamanitra. Miteraka adi-hevitra ity andininy faha-13 ity. Manasa anao hanohy ny fandinihana ny teny voalahatra rahampitso sy ny fanazavana mba hahazoana tsara ny tian’ny Tompo ampitaina.