ROMANA 8.18-30 F. 6

NY AMPITSO MAMIRATRA !

 

Nantsoina  hiandry  (18-23).  Efa  hitantsika tany aloha ny fomba nahatonga antsika ho zanakAndriamanitra. Inona avy ary  ireo  takiana aminny zanakAndriamanitra? Nantsoina handalo fahoriana isika (18), noho izany, miandry ny fanafahana tanteraka (21) miray zotra aminny zava-boahary isika, misento sy marary satria mbola eto an-tany(22), noho izany miandry ny fananganan’anaka tanteraka (23).

 

Lay sa lapa ? Raha mbola eto an-tany isika dia mpitoetra an-day (2korintiana 5.1-4), sy mpivahiny ihany, miandrandra ny lapa andraisanny Tompo antsika any an-danitra any isika! Mandra-piavin’ny Tompo miasa sy mivavaha (Fihirana FFPM 430). Ao ambony ny lapan’ny Ray, ao an-danitra feno ny soa, hasambarana mandrakizay, Kristy soa iriko tokoa (Fihirana FFPM 693).                                     

 

Miandry aminny fanantenana (24-27). Tsy mora ny miandry ny mbola tsy hita, mitaky faharetana, mitaky fanantenana, izany indrindra no fitaovana omenny Fanahy antsika,  (25,26).  Ny Fanahy  no mampaharitra  antsika  sy  manome  fanantenana satria Izy no ifona ho antsika, mahalala izay mety ho antsika, henony ny fisentoantsika lalina ao am-po ao (27).   Ario ny tahotrao ry olon’osa fo! Izay fisentoanao reny avokoa (Fihirana FFPM 460)

 

Anjara voatendry (28-30). ZanakAndriamanitra aho,     hanananAndriamanitra     planim-pitiavana dia ny hitovy endrika aminy, hitondra avo izany endriny   izany   aminny   fanahafana   an’i   Jesoa Kristy  izay  Lahimatoanny  zanany  rehetra  (29). Izaho  voatendriny  dia  nantsoiny  koa  hanatona Azy,    izaho    izay    nanaiky    hanatona    Azy    dia nohamarininy maimaimpoana tsotra izao, tsy hoe satria  mendrika  aho  (1Korintiana  6.11).  Farany, mbola omeny voninahitra koa! Tsara loatra izany manana satanny maha zanakAndriamanitra izany. Mahareta hatraminny farany ary!.