ROMANA 7.14-25 F. 6

TOMPONANDRAIKITRA

 

Ny ratsy izay tsy sitrako. Ity Romana toko faha 7 ity dia mampivoitra ny sata misy ny zanak’ olombelona rehetra : andevon’ny ota, izay mamabo (23). Moa tsy tsapa tokoa ve izany matetika rehefa manoloana fakam-panahy izay misarika? Ao anatinny nofo ao mihitsy no toa misy mifandrirotra. Ny fanahy te hanao izay tsara sy mendrika, fa ny nofo koa misintona ho amin’izay tsy sitraka. Raha ny herin-tsaina na ny herim- batana fotsiny no hanoherana dia tsy mankaiza… ary tonga amin’ilay voalaza hoe “izay halako no nataoko” (15). Tsy afaka mandà koa anefa isika, fa tomponandraikitra ny aminny fitondran-tena izay iainantsika.

 

Ny tsara izay sitrako. Misy ny lalam-panavotana nataonAndriamanitra ahafahantsika aminny vahohonny  fahotana;  “indrisy   olo-mahantra aho !...”(24) : toloko maneho io fa tsy misy afaka manavotra ahy na ny fahaizana amam-pahalalàna, na ny fomba amam-panao , eny fa na dia izay fombafombam-pivavahana aza. Fa niainga teo kosa ilay kiakam-pandresena  rehefa  azon’i Paoly ny fahamarinana (25) : fanomezana avy aminAndriamanitra ny fanavotana , malalaka ho anny rehetra izy io, ary raisina aminny finoana. Goavana be ny velarany, satria tonga hatrany aminny fiainana mandrakizay. Ny Zanany Lahitokana mantsy no natolony…Hoy ilay hira malaza iray hoe : Tsy misy tahaka an’i Jeso, tsy misy tahaka Azy…nitady aho, tsy nisy , nikaroka aho tsy nisy !. Tomponandraikitra ary isika tsirairay  hisafidy   ilay   hany   làlana   mitondra   ho amin’ny tena fanafahana.