AFAKA MANAO SAFIDY VAOVAO
Lalàn’ny ota…. Miverina mipetraka ny fanontaniana : « mbola hanota toy ny teo aloha ve satria tsy ambany fahefan’ny lalàna fa ambany fahefan’ny fahasoavana ? ». Mitovy amin’ny teo aloha ihany ny valiny : « Tsia ». Nahoana ? Satria efa velona ho an’Andriamanitra isika dia aoka ho marina amin’izany ka hanolo-tena hiala amin’ny lalan’ny ota nandehanantsika teo aloha. Lasa mpanompon’izay fidiantsika ho ekena mantsy isika (16). Taloha isika dia nandeha tamin’ny lalan’ny fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalàna izay mampirona ho amin’ny fahafatesana. Tsy mifanindran-dalana ary tsy eo ambany fifehezan’ny fahamarinana (20).
… sa lalàn’ny fahamarinana ? Fanapahan-kevitra, safidy vaovao ; fanoloran-tena hafa no iantsoana ny kristiana izay te-handeha amin’ny lalana itarihan’ny Tompo azy. Antso ho amin’ny fanekena an’Andriamanitra izay mampirona hanao ny marina. Antso hanolotra ny momba ny tena rehetra ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra (13). Ny vokatra dia ny fananana toetra masina ankehitriny ary fiaina-maharitra mandrakizay amin’ny farany (23).
Ahoana no ahafahako manao safidy tsara ? Fantaro fa tsy manan-kery aminao -ilay niara-maty sy niara-nitsangana tamin’i Kristy- ka lasa eo ambanin’ny fahefan’ny fahasoavana intsony ny fahotana (14). Ny fahasoavana omen’Andriamanitra no ahafahantsika manao safidy. Mizotra mankamin’izany ve ny andehanako ankehitriny ?
Saintsaino : « Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, …fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra » Efesiana 2, 1 sy 8