ROMANA 6.1-14 F. 3, 4

MIAINA FIAINAM-BAOVAO

 

Miaina afaka aminny ota (1-7). Tsy afaka mitoetra ao aminny ota intsony ny mino an’i Jesoa Kristy nandalo fibebahana marina sy vita batisa. Tamin’izany mantsy no nandevenana sy nanombohana ny ota tsy hanam-pahefana aminny fiainanny mpino intsony. Niara-maty taminny Kristy teo aminny hazo fijaliana rahateo ny ota ka afaka amin’izany izay rehetra mino Azy.

 

Saintsaino : “Sambatra ny olona ... tsy mijanona eo amin’ny làlana falehan’ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ny fipetrahan’ny mpaniratsira” (Salamo 1.1)

 

Miaina ao amin’i Jesoa sy ho an’i Jesoa (8-11). Ny mpino afaka aminny ota dia tafantsagana taminny maty  ka  miara-belona  amin’i  Jesoa ary velona ho Azy ka tokony ho marina aminy izay voasaratra ao aminny Galatiana 2.20 hoe Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy  izaho intsony no velona,  fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny ZanakAndriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.

 

Hoy ny Apostoly Paoly : “Fa Kristy no antony ahavelomako” (Filipiana 1.21a)

 

Miaina  eo  ambaninny  fahasoavana  (12-14) fa tsy eo ambaninny lalàna ka  tsy  mamela  ny ota hanapaka ny tenany izay efa natolony ho anAndriamanitra taminny alalan’i Jesoa Kristy. Tsy midika akory izany hoe tsy ilaina intsony ny lalàna izay azo heverina ho mari-pandrefesana ny ota fa ilay fahasoavana namonjena azy no tokony hitarika ny mpino tsy hanota.

 

Hoy mantsy Jesoa : Aza ataonareo fa tonga   Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany;   tsy  tonga Aho handrava fa hanatanteraka”   (Matio 5.17)