ROMANA 5.12-21 F. 5

FAHAFATESANA SA FIAINANA ?

 

Fahafatesana noho ny otan’i Adama (13-14). Ny nandikan’i Adama sy Eva ny TeninAndriamanitra (Genesisy   2.16,   3.6)   no   niandohanny fahotana izay adika rahateo hoe fandikana ny didinAndriamanitra. Nitohy taminny andronny Zanak’Israely izany ka na dia nomena taminny alalan’i Mosesy aza ny lalàna (Eksodosy 20), dia vao mainka nitombo ny fandikan-dalàna ary mitohy mandrak’ankehitriny izany satria arakaraka ny habetsahanny fiangonana no toa mampitombo ny faharatsiana izay vokatry ny fahotana. Mety mahatonga ny maro hitoetra ao aminny fahotana angamba ny mbola maha-velona azy ireo na ambara aza fa ny ota no nidiranny fahafatesana izay nahatratra ny olona rehetra (Romana 3.23, 6.23a).

 

Tandremo : Fahafatesana ara-panahy no tiana hambara ETO ary midika izany fa faty mandehandeha izay rehetra velona nefa mitoetra ao amin’ny ota.

 

Fiainana noho  ny  amin’i  Jesoa  Kristy  (15- 21). Raha maty noho ny otan’i Adama ny olona rehetra, dia Jesoa Ilay tsy nanota kosa no maty mba hitondra fiainana ho anny olona rehetra. Tena fanomezam-pahasoavana tsy takatry ny saina izany, ary fahasoavana nanala ny maro  taminny fanamelohana ho aminny fahamarinana ary taminny fahafatesana ho aminny fiainana, dia ny fiainana mandrakizay aminny alalan’i Jesoa Kristy. Izany rahateo no ambaranny Apostoly Paoly hoe Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy aminAndriamanitra” (Efesiana 2.8)

 

Tandremo : “ ... efa ... anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ... ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao...” (Deoteronomia 30.19).