ROMANA 5.1-11 F. 4

VOAMARINA NOHO NY FINOANA

 

Mahazo ny fitiavanAndriamanitra (1-5) dia ilay Fitiavana Agape, sady tsy misy fepetra no tsy mila tambiny, omenny Fanahy Masina (5b) aminny alalanny finoana an’i Jesoa Kristy ho Tompo (1). Izany finoana izany tokoa mantsy no mampitoetra ny mpino ao aminny fahasoavana (2a) ary mamporisika azy hifaly aminny fanantenana ny hanehoanAndriamanitra ny voninahiny eo aminny fiaianany (2b), eny fa na dia ao anatinny fahoriana

(3) sy ny fihazahan-toetra aza (4); raha fintinina, dia fiadanana (Jaona 14.27) ao aminAndriamanitra no tombontsoanny mpino noho ny fanamarinana azy aminny finoana.

 

Famporisihana : “Mifalia amin’ny fanantenana; miareta amin’ny fahoriana; mahareta amin’ny fivavahana” (Romana 12.12)

 

Misitraka ny fitiavanAndriamanitra (6-11) dia ilay Fitiavana nasehoany taminny namelany an’i Jesoa Zanany ho faty mba hisolo heloka antsika (6-8) ; raha isika tokoa mantsy no tokony ho faty noho ny otantsika araka ny voasoratra hoe « fa fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6.23a), dia Jesoa ary Izy irery ihany (7) no nanaiky ho faty mba hamonjena hahavelona antsika (9, 10b) noho ny fitiavanAndriamanitra. Tsy velona fotsiny koa anefa  fa  vita  fihavanana  aminAndriamanitra  (1,10a, 11); satria raha tafasaraka aminAndriamanitra noho ny ota tokoa mantsy isika (Isaia 59.2), dia Jesoa Kristy no ahazoantsika fihavanana Aminy. Izy rahateo dia tonga nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra ary tamin’izay akaiky koa. (Efesiana 2.17).

 

Fampanantenana : “Eny, notiavinAndriamanitra fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa ho velona aina mandrakizay” (Jaona 3.16-DIEM)