ROMANA 3.1-8 F. 1, 6

MARINA ANDRIAMANITRA

 

Mahatoky aminny fanekeny (1-4). Ny Jiosy nomena fahalalana anAndriamanitra taminny alalanny lalàna (2). Tombontsoa ho azy izany (1). Taminny firenena Jiosy ihany mantsy Andriamanitra no naneho ny tenany  mivantana, ka nanavahany azy taminny alalanny famorana. Na dia nanao tsinontsinona izany tombontsoany rehetra izany aza anefa ny Jiosy (3), dia tsy miova taminny teny fanekeny efa nataony tamin’i Abrahama Izy (Genesisy 12.2; 17.13). Moa tsy migoka izany fanekena natao izany koa isika mpino ankehitriny satria Ilay Teny tonga nofo, Jesoa Kristy, dia teraka Jiosy, fa voasoratra hoe “aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 12.3b), “avy amin’ny Jiosy ny famonjena.(Jaona 4.22)

 

Manameloka ny tsy marina Izy (5-6). Na mahatoky aminny teniny  aza  Andriamanitra (4), dia tsy mahafoana ny handatsahany ny fahatezerany aminny mpanao meloka izany (5b). Izay indrindra no mampiharihary ny maha-marina anAndriamanitra (5a). Noho izany dia afaka manafay malalaka aminny fahamarinany sy ny fiandrianany Izy (6).

 

Manohitra  ny  fahotana  ny   fahasoavany (7-8).  Misy  ireo  mihevitra  fa   toa   manentana ny olona hanota ny filazan’i Paoly ny fahasoavanAndriamanitra,  ka  soa  ihany   fa nanao ratsy ny olona mba ampiharihary fa marina Andriamanitra. Ho voaheloka marina anefa  ny  misaina  toy  izany  satria  manosihosy ny fahamarinanAndriamanitra. Ny olona tena nandray  ny  fahasoavanAndriamanitra   mantsy dia entaninny fitiavan’i Kristy azy teo aminny hazo fijaliana ka miezaka hankato ny teniny mandrakariva mba hahafaly Azy.

 

Saintsaino : “Sanatria izany! Aoka Andriamanitra  no  ho  marina,  fa  ny  olona rehetra   kosa   ho   mpandainga;   araka   ny voasoratra hoe: «Mba hohamarinina amin’ny teninao Ianao, ary hahery rehefa manana ady»(4).