ROMANA 1.8-17 F. 2, 6

FIREHETAM-PO HO AN’NY MPINO SY NY FILAZANTSARA

 

Finoana fanta-daza (8). Noho ny fahasoavanAndriamanitra  dia  fantatra   eran- tany ny finoana nanananny Romana. Nidera azy ireo Paoly noho izany. Ho antsika koa, inona no fijoroana vavolombelona ananantsika momba ny finoana. Aoka isika ho fianarana aminny fanoloran- tenantsika !

 

Faniriana handeha ho any Roma. Ambaran’i Paoly ao anatinny vavaka ataony ny faniriany lalina hihaona amin’ireo kristiana any Roma (9- 10). Inona ny antony ?

 

  • Mba hizara amin’izy ireo fanomezam-panahy (11)
  • Mba hifampahery aminny finoana
  • Mba hioty vokatra avy amin’izy ireo koa (13)
  • Mba hizara ny vaovao mahafaly amin’izy ireo (14-15).

 

Ny Filazantsara, herinAndriamanitra  (16- 17). Andriamanitra, Ilay Tsitoha, dia nametraka tao   aminny   Filazantsaranny   fahafatesana   sy fitsanganan’i Jesoa taminny maty, hery  lehibe sy mahomby, izay afaka hitondra ny olona tsy ankanavaka ho aminny famonjena. Izany no antony tsy tokony hahamenatra antsika hanambara izany!

 

Fanontaniana : Ho ahy manokana,  inona no atao hoe Filazantsara ? Inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fiainako ?