ROMANA 13.1-7 F. 3

FITONDRANTENA MANOLOANA NY FAHEFANA

 

Loharanon’ny fahefana (1-2). Mampahatsiahy ny tenin’i Jesoa tamin’i Pilato ireto andininy ireto. « Ianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony. » (Jaona 19.11). Ny manam-pahefana izany, na inona na inona no endrik’izany fahefana izany, dia tompon-andraikitra ny amin’ny fahefana ananany eo anatrehan’Andriamanitra. Ny tenin’Andriamanitra anefa dia manisy fetra ny fahefany « Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona. » (Asa 5.29)

 

Fankatoavana sy fanajana ny fahefana (3-7). Araka ireo voalaza eo ambony ireo, dia tokony hanana ny fisainan’Andriamanitra ny manam-pahefana rehetra: mamporisika ny tsara ary manasazy ny ratsy. Izany no mahatonga ny olona manana fahefana antsoin’i Paoly hoe « mpanompon’Andriamanitra » efa ho intelo (4, 6). Toa ny fahatahorana ny fahatezeran’ny fahefana no anton’ny hanekena azy. Fa misy antony tsara kokoa hanekena azy dia noho ny « fieritreretana » (5). Io dia mila finiavana manokana mihoatra ny tahotra sao ho voasazy. Amin’ny lafim-piainana rehetra ny mpino no angatahana ho modely : fandoavana hetra, fanajana lalàna sy ny olona manana fahefana. Mitovy amin’ny voalazan’i Paoly ny an’i Petera izay manamafy fa ny fankatoavana dia tsara lavitra: « Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy, na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara. » (1Petera 2.13-14)

 

Baiko : Raha manana fahefana ianao dia aoka hanana ny tahotra an’Andriamanitra. Raha olon-tsotra kosa dia aoka ankato sy hanaja ny manam-pahefana « noho ny Tompo ».