ROMANA 13. 8-14 F. 3, 4

NY FITAFIANA AN’I KRISTY

 

Ny trosan’ny fitiavana (8-10). Zava-dehibe roa no ambaran’i Paoly eto. Voalohany dia ny fihazonana ny teny nomena rehefa nanolo-tena handoa trosa ohatra. Milaza koa anefa izany fa tsara raha tsy manolo-tena na manome teny mihoatra izay azo atao. Faharoa dia misy trosa tsy ho voaloantsika tanteraka ety. Ny fitiavana ny hafa izany. Io fitiavana ny hafa io dia izay nampianarin’i Jesoa antsika. Ary izay manantanteraka izany dia mahatanteraka ny lalàna rehetra (8).

 

Ny fifohazana (11-14). Ny fiandrasantsika ny fiverenan’i Kristy no mampahery antsika hihaina ny fiainan’i Kristy ao anatintsika. Miaina eo anivon’ny aizana mantsy isika ety. Nofaranan’i Paoly ny toko nilazany zavatra roa ahazoantsika mitsipaka ny asan’ny maizina : ny fandraisana ny fiadian’ny mazava sy ny fitafiana an’i Kristy. Isika mpino koa mantsy dia mety ho tafalatsaka ambany: fijangajangana, fahamamoana, sns. Mbola i Paoly ihany no manampy io hoe fitafiana an’i Kristy io «tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko.» (Galatiana 2.20) Sarotra izany ny mitafy an’i Kristy, izany hoe ny maneho ny toetran’i Kristy ety ivelany raha toa ka tsy hiainana ao anaty izany. Tsaroantsika ve ilay fahasarotan’i Paoly lazainy any amin’ny toko faha-7 ? Mba hamonoana ny nofo sy ny faniriany dia tsy fahanana izy. Ary ny Fanahy no hamonoana ny asan’ny tena. (Romana 8.13)

 

Fampaherezana : Izay voalaza ao amin’ny toko faha12 sy 13 dia aoka ho raisina tahaka ny fampaherezana omen’ny Ray antsika zanany, ampisehoany antsika izany hoe miaina ao anaty fifandraisana Aminy izany.