NY KRISTIANA SY NY FAHAFOIZANY HO AN’NY TOMPONY

Levitikosy 27.14-34
F.2
NY KRISTIANA SY NY FAHAFOIZANY HO AN’NY TOMPONY
Ny fiainan’ny olombelona sy ny manodidina azy dia azo hamasinina ho an’Andriamanitra:
Manohy mitanisa ireo endrika isehoan’ny « Voady » sy ny hafatra ho an’ny Zanak’Isiraely ny teny anjarantsika eto (14-25). Mivelatra aok’izany ireo « kasinga » izay ahafahantsika mankasitraka an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny voady : ny tenantsika sy ny manodidina antsika, ny trano sy tany, ny biby fiompy sy ny vokatra. Amin’ny maha vahoakan’Andriamanitra antsika dia misy ireo zavatra izay efa « voatokana – masina » ka ekentsika fa an’Andriamanitra ary tsy azo atao voady intsony.
Ny voady sy ny taon-jobily: Amin’ny maha taom-panafahana sy taom-pamerenana ny zo sy ny anjaran’ny tsirairay ny taon-jobily dia nampiharin’Andriamanitra izany mba ho fanefana ny voady natao sy ho fanamorana ny fanatanterahana izany. Toe-panahin’Andriamanitra tiany hiainantsika sy hampiainantsika ny hafa ihany koa ny fanomezana fahafahana, fiainam-pamelana, izany hoe famerenana ny zavatra rehetra araka ny nametrahan’ny Tompo azy. Izany dia tandindon’ny fiverenan’ny Tompo indray ka hamerenany amin’ny laoniny ny zava-misy eto an-tany.
Ny voady sy ny fahafolon-karena: Averina hatrany fa miantefa amin’ny vahoakan’Andriamanitra izay efa navotany, navelany heloka ka tiany hifandray bebe kokoa Aminy no resahina amin’ity voady sy manolotra ny fahafolon-karena ity. Fa amin’izao andron’ny fahasoavana izao kosa dia tsy ny habetsahan’ny arotsakao no zava-dehibe amin’Andriamanitra fa ny fonao manao azy.
   Saintsaino : « Fa tamin’ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan’ny hafaliany, ary ny hamafin’ny fahantrany no nampitombo ny haren’ny hitsim-pony … ! » (II Korintiana 8.2-5). Ny olona velon’ny Fitiavan’Andriamanitra dia tokony manam-pitiavana Azy ary afaka maneho izany fitiavany an’Andriamanitra izany eo amin’ny lafim-piainany rehetra.