NOMERY 4.1-20 F. 1

JEHOVAH ANDRIAMANITRA LOHARANOMPIAINANA

Anontaniana i Jehovah. Jehovah no niteny tamin’i Mosesy sy Arona ny hanisana ny taranak’i Kehata izay 30 hatramin’ny 50 taona teo amin’ny taranak’i Levy dia izay miditra amin’ny antokony hanao raharaha ao amin’ny tranolay fihaonana. Jehovah no nilaza ny ho fanompoan’ireo amin’izany (4). Sitrak’Andriamanitra tokoa ny hampahafantatra ny olony izay anjara fanompoany amin’izao fiainana izao. Koa aza misalasala manatona an’Andriamanitra sy manontany Azy fa Izy hiteny izany aminao araka ny fombany mahagaga. Ho velona izy fa tsy ho faty. Raha manatona ny zavatra Masina indrindra ny taranak’i Kehata dia atao maty (19). Izay no nitenenan’i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona ny amin’ny hatao mba tsy hahafaty azy ireo. Fa tsy sitrak’Andriamanitra ny hahafaty antsika fa ny hahavelona antsika kosa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (Jaona 3.16, 10.10)

Vavaka : Tompo ô, Ianao no loharanompiainako, tariho aho hahalala ny tianao hataoko amin’ny hanompoako anao ary aoka ny fiainako ho fanehoanao mandrakariva ny fahavelomanao. Amen!