NOMERY 22.21-40 F. 4

MITENY AMINTSIKA ANDRIAMANITRA

 

Mivonona hihaino mandrakariva an’Andriamanitra. Efa an-taonany maro no nananana sy nampiasan’i Balama ilay borikiny ka noheveriny fa afaka mifehy tanteraka azy izy. Na dia efa zava-mahagaga aza no miseho dia tsy tsikariny noho ny famatoran’ny fahazarana sy ny fahatezerana.

Mialoha sy ambonin’ny fahafahantsika mampiasa sy mifehy izay rehetra heverintsika fa ananantsika, izy ireny dia manompo sy ampiasain’Andriamanitra araka izay tiany aloha.

Afaka mampahafantatra antsika ny sitrapony amin’ny fomba maro ny Tompo. Ny zavatra hitan’ny maso, ren’ny sofina na fahatsapana sy fahatakarana anaty dia azony ampiasaina avokoa, eny, fa na dia ny olona tsy tena mino Azy tanteraka aza. Ny fepetra fototra anefa dia izao : azo amarinina araka ny Soratra Masina ireny.

 

Baiko : Aoka hitoetra betsaka ao anatinao ny tenin’Andriamanitra ary araka izany no andikao sy anazavao ary anekeo ny zava-misy sy miseho rehetra.

 

Tsy voatery ho ratsy avokoa ny sakana rehetra. Tena tonga famonjena ho an’i Balama ny tsy faneken’ilay borikiny handroso na dia in-telo aza izy no nokapohiny mafy sy niriny hovonoina mihitsy. Manakana antsika tsy handeha na hanao zavatra ny Tompo rehefa hitany fa tsy mahasoa antsika sy ny asa fanompoana izay iantsoany antsika ireny. Rehefa ajambain’ny fanirian-dratsy, filana, fitiavan-karena na fitiavam-boninahitra ny masom-panahy, dia tsy mahita na mahatakatra intsony izay tena zava-misy sy marina araka an’Andriamanitra.

 

Vavaka : Tompo ô ! Ampahirato mandrakariva ny masoko, hibanjinako Anao Ilay tompon’ny finoako sy mpanefa azy, ary hifikirako amin’izany tsy hiovaova. Amena.