NOMERY 21.1-20 F. 4, 5

AZA MAKA FANAHY AN’ANDRIAMANITRA

 

Mahavonjy Andriamanitra amin’ny olana rehetra. Azo heverina fa fanjakana efa miorina tsara ny tao Arada. Ny zanak´Isiraely kosa dia firenena mifindra monina, miaraka amin-jaza amam-behivavy, entana sy biby fiompy. Raha niady ireo firenena roa ireo dia natolotr’Andriamanitra ho resin’ny zanak’Isiraely ny fanjakan’i Arada.

  • Antony : niantso an’Andriamanitra hamonjy azy ny zanak’Isiraely.

Rehefa hafa anefa ny fitrangan’ny olana, fahasarotan’ny lalana, tsy fahazoana izay irina na dia omen’Andriamanitra izay ilaina aza, dia mimonomonona, manome tsiny Azy ny zanak’Isiraely. Izany dia fiheverana fa misy olana hain’Andriamanitra vahana fa misy tsy vitany. Izany no atao hoe maka fanahy an’Andriamanitra.

 

“Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ny sasany tamin’ireny fanahy Azy ka matin’ny menarana ireny” (1Korintiana 10.9)

 

Mijery an’i Kristy. Ny menaran’afo eto dia endriky ny fahotana izay mitondra fahaverezana ho an’ny olona. “Ny fanahy izay manota no ho faty” (Ezekiela 18.4). “Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona” (Jaona 3.14)

Na dia nifona sy nangataka fifonana tamin’Andriamanitra sy Mosesy aza ny zanak’Isiraely, dia tsy voavonjy raha tsy nijery ilay menarana varahana nahantona tamin’ny hazo.

 

Tandindon’ny hazo fijaliana izay nahafatesan’i Jesoa Kristy izany. Teo no nitondrana ny helotsika rehetra. Izay mino sy manaiky izany no mandray ny famelan-keloka sy ny famonjena.

Rehefa niaina sy nandeha tsara araka ny fahatokiana an’Andriamanitra ny olona dia afaka nandroso sy nifindrafindra tamin’ireo toerana maro voatanisa ireo hanatratra ny tany Kanana ka tsy nahita olona na fanakanana.