NOMERY 19.1-22 F. 6

MITOETRA EO AMIN’NY FANATREHAN’ANDRIAMANITRA

 

Samy nomen’Andriamanitra torolalana na ny mpisorona na ny Levita (Nomery 18) na ny isam-batan’olona (Nomery 19) mba hahafahany mitoetra eo amin’ny fanatrehany. Eo anivon’nyka tsy maintsy madio ny olona monina eo. Hofongorana amin’ny fiangonana izay tsy manaja ny fahamasinan’ny toby (20).

 

Ny loharanon’ny fahalotoana. Izay rehetra mahakasika faty na fanahy iniana na tsia no mampahaloto (11-16). Fahafatesana tokoa no tambin’ny ota izay tsy afa-miara-mitoetra amin’Andriamanitra. Mifindra ny fahalotoana (14- 15) na amin’ny olona na amin’ny fitaovana ka tena manana endrika azo tsapain-tanana mihitsy eto ny fankahalan’ Andriamanitra ny ota sy ny momba azy.

 

Ny fanadiovana. Vantotr’omby vavy mena tsy misy kilema sy tsy manan-tsiny no alatsa-drà ho fanalana ny ota. Izany dia maneho sahady an’i Jesoa Kristy izay novonoina mba hahazoantsika ny famelan-keloka (Hebreo 9.22).

Dorana manontolo avy eo ilay sorona ary ny lavenona azo no natao hotehirizina hanadiovana ny maloto rehetra na ny olona na ny fitaovana. Ny Hebreo 9.13-14 milaza fa ankehitriny dia ny ràn’i Jesoa Kristy no manadio ny antsika.

 

Fiahian’Andriamanitra. Ny lavenon’ilay ombivavy dia natao hotahirizina mba hanatanterahana ny fanadiovana amin’ny fotoana ilàna izany. Mety hiverimberina tokoa ny trangan’ny fahalotoana toy ny voalaza eto na fanahy iniana na tsy nahy. Hita eto ny fiahian’Andriamanitra izay manoro lalana ny olona mba hahazoany miara-mitoetra Aminy. Amin’izao fotoana izao Jesoa Kristy no mifona ho antsika (Romana 8).

 

« Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao » Jaona Mpanao Batisa.