NOMERY 14.26-45 F. 5, 6

SAMY MIJINJA IZAY NAFAFINY AVY

Vahoaka  be   fimonomononana.          In-dimy miataona be izao no nitsikeranAndriamanitra ny fimonomononanny   Zanak’Isiraely   (27,   29,   36) ka nilazanfratsy izy ireo no   sady mpiodina aminy , ary mpijangajanga  (27a, 33, 34b, 35). Ary satria  fahafatesana  no  tambinny  ota  (Romana 6.23a) dia ambaranAndriamanitra fa ankoatran’i Kaleba sy Josoa  (30b, 38) dia ho faty any an’efitra avokoa (29, 32, 35) ny roapolo taona no miakatra mpimonomonona taminy ka ireo   mpitsikilo folo lahy no hisantatra izany (36-37) . Tsy vitan’izany fa   hirenireny   any   an’efitra   efa-polo   taona   ny Zanak’Isiraely   (33,   34)   !   Zava-doza   izany   ity fimonomononana   aminAndriamanitra   ity   izay mora   mahazo   ny   fiangonana   koa   ankehitriny ka  anafatrafaran’i  Paoly  mihintsy  hoe  Ary  aoka tsy       himonomonona  ianareo  tahaka  ny  sasany tamin’ireny, izay matin’ny       mpandringana” (1Korintiana  10.  10)  .  Ny  fitarainana  tsotra  sy filazana   ny   zava-tsarotra   atrehana   dia     lasa fimonomonona  rehefa  mivadika  fanaratsiana  ny hafa sy tsy fahatokiana anAndriamanitra. Fankatoavana toy ny tsy fankatoavana ihany. Rehefa nahare ny teny mafy nampitondrainAndriamanitra ny  Mosesy  ny  olona  dia  vala-ketraka  (39)  ka nanapa-kevitra irery  fa handroso ho any aminny tany Kanana   (40) arak’ilay baikonAndriamanitra tery am-boalohany ... Hafanam-po diso toerana izany satria fandikana vaovao indray ny  didy efa navoakanAndriamanitra (41) . Tsy hahomby velively izy ireo satria tsy homba azy Jehovah (42). Ilay fahasahisahiana foana (44) dia vidina lafo satria nataon’ireo Kananita torotoro ny mpanafika (45) !

Ianao koa aoka hitandrina fandrao mba mikatsaka anAndriamanitra ihany kanefa tsy araka ny sitrapony : ho very maina ny ezakao !