NOMERY 13.1-20 F. 6

MILA FANOMANANA NY ASANANDRIAMANITRA

Efa   tany   nomenAndriamanitra   anefa   mila safona (2).  Ny fisafoana dia midika famakafakana tsara  ny  zava-misy  mialoha  ny  fanafihana.  Iza tokoa  moa  no  mpanjaka  raha  handeha  hiady amin’ny  mpanjaka  hafa,  no  tsy  mipetraka  aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin’ny iray alina izy na tsia” (Lioka 14.31). Mila fantarina ary  na vitsy na maro, na mahery na osa  ny miaramila tafihana (18). Tsy maintsy miomana tsara Mosesy na dia efa fantany am-pinoana aza  fa handresy ny Isiraely  satria ny vavan’i Jehovah no efa niteny (Eksodosy 23.27). Andraikitry    ny    Isiraely    rehetra    ny    ady. Tsy  miady  irery  ho  anny  lovany  avy  akory  ny fokon’Isiraely  tsirairay  fa  miara-miady  kosa  ka izany  no  nangalan’i  Mosesy  solontenanny  foko iray avy hisafotany (3-16). Tsy ao anatin’ireo ny

Levita (Deotoronomia 18.1-2) fa Efraima (8) sy Manase (11) , zanak’i Josefa (Genesisy 48.5) no mameno ny isa. Izao fiaraha-mientan’Isiraely izao dia endriky ny fiainanny fiangonana ho avy izay ahitana mombanny tena maro mifampiankina (1Korintiana 12.12-26).

Misalasala ve Mosesy aminny hakantonny tany Kanana? Tsy efa nampanantena ve Jehovah fa hitondra ny Zanak’Isiraely ho any aminny tany tondra-dronono sy tantely (Ekspdosy 3.8) koa nahoana Mosesy no mbola mampanontany ihany na tsara na ratsy (19) izany tany izany (20). Ny tanjony dia ny hampiseho  aminny  mpisafotany sy ny vahoakan’Isiraely hoe jereo” fa azo antoka tanteraka ny teny fikasanAndriamanitra .

Ianao koa, omany tsara avokoa nasanAndriamanitra rehetra mba ho tontosa antsakany sy andavany.