MPITORITENY 4.1-16 F. 6

FIAINAM-PIARAHA-MONINA

Tsindry hazo lena. Zava-misy eo anivonny fiaraha-monina izay tsapan’i Mpitoriteny ny hamafiny ka mahatonga azy milaza fa sambatra ireo izay efa maty tsy misedra izany intsony (2). Fa mbola tsaratsara kokoa aza, hoy ihany izy, ny tsy ary akory ka tsy nahita izany fahoriana izany (3). Tena fahoriam-be izany mitranga izany matoa tahaka izany no fahatsapan’i Mpitoriteny azy.

Mbola misy hatramin’izao androntsika izao ve izany?

Eny, misy hatrany ny fampahoriana ny tsy manana saingy ny mahafaly dia ny fananantsika fampiononana avy aminAndriamanitra satria Andriamanitry ny fampiononana Izy (2Korintiana 1.3) ary i Jesoa koa nitondra fanasitranana hoan’izay azonny fanaintainana ara-nofo (Matio 9.22) sady mbola nampanantena ny Fanahy Masina izay hitoetra  eo  amin’izay matoky Azy  sy  ho  ao anatiny (Jaona 14.17).

Misasatra hitombo harena. Sady hitombo harena hoanny tena no hitombo harena bebe kokoa noho ny hafa, izany hoe toe-tsaina mifaninana. Izany no miseho eo aminny fiaraha-moninny olombelona miorina aminny harenny tany. Ka na ny olona mitoetra irery aza, tsy manan-kavana, dia mirona ho amin’izany. Saingy hoan’iza izay nisasarany? Ahatsiarovana ilay tantara fanoharana nambaran’i Jesosy ao aminny Filazantsaran’i Lioka mikasika Ilay  lehilahy  mpanan-karena  nihary  fananana be dia be ka nilaza hoe: ”Ry fanahiko ô! Manana fananana be voatahiry hoamin’ny taona maro ianao, mifalia, mihinàna, misotroa. Ary nofaranan’i Jesosy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao ka hoan’iza izay nisasaranao?” (Lioka 12.13-20).

Fahendrena sy voninahitra. Ny mpanjaka efa zokiolona   tsy   mety   anarina   sy   toroan-kevitra intsony dia ratsy lavitra raha oharina aminny tanora mahantra izay manana fahendrena (13).

Hoy   ny   Ohabolana   :   “Ny   fahatahorana  an’i   Jehovah   no   fiandoham-pahendrena” (Ohabolana 9.10a)